Tsy misy ho antenaina amin’ny CENI

«Sarotra be ho an’izay notendren’ny Filoha no tsy hanome fahafaham-po azy»


  • Zoma 17 Janoary 2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko ity, Iada Jean Pierre. Na misy fanambarana ilazàn’ny mpitandro filaminana fa tsy misy vahoaka mandresy mpitandro filaminana izany, hoy izy, dia izay no foto-pisainanay. Hivoaka ny voka-pifidianana kaominaly. Nisy fitoriana sy raharaham-pitsaràna maro nandeha teo. Matoa nitory daholo ny rehetra dia tena tsy tomombana ilay fifidianana. Eo amin’ny lafiny fitsaràna indray dia hitantsika fa maro tokoa ny fitarainana napetrak’ireo milaza ho mpanohitra na tsy miankina no tsy misy na dia iray aza noraisina na neken’ny fitsaràna ny mampitombina na maha marina ny zavatra napetrany tamin’ny fitoriana. Izay napetraky ny mitonona ho kandidàm-panjakana kosa dia nekena ny maha marina azy. Mitsara eo amin’ny lafiny lalàna ny fitsaràna saingy manapa-kevitra amin’ny alalan’ny feon’ny fiheritreretany kosa na izay mampety azy. Fantantsika tsara fa nisy kandidà nilaza am-pahibemaso fa kandidàm-panjakàna. Hatramin’ny androany anefa dia tsy mbola nisy didim-panjakàna namoaka fa izy no kandidàm-panjakana. Fisolokiana izany ireny zavatra ireny ary tokony nandraisan’ny fitsaràna fanapahan-kevitra hentitra. Lasa mampiova be ny vokam-pifidianana izy ireny satria ny kandidàm-panjakàna dia tokony ho ny fanjakàna mihitsy izany no mampandany azy. Hitantsika izany fa tsy tena vokatry ny safidim-bahoaka ny vokam-pifidianana satria amin’ny maha kandidàm-panjakàna azy izay dia ny fanjakàna no mifehy ny tanàna dia manjary ny kandidàm-panjakàna no maro isafidianan’ny olona eran’i Madagasikara ary mitoetra ho lany amin’izany fifidianana izany. Tsy misy ho antenaina amin’ny CENI, noho izany, satria sarotra be ho an’ny olona izay notendren’ny filohan’ny repoblika no tsy hanome fahafaham-po ho azy, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT