Tsy mety ny manao kopisoroka

"Mila fanabeazana ny fampiharana ny lalàna"


  • Talata 12 Novambra 2024

Anisan’ireo mpijery baolina lavalava teny amin’ny kianja MAKI Andohatapenaka ny alahady tolakandro teo i Tahina Razafinjoelina.

Fotoana nitondrany fanampiana ho an’ireo mpanao Rugby no sady nanehoany hevitra ihany koa momba ny hoe fampiharana ny lalàna sy fandrindrana ny fiainam-piarahamonina. Ahoana hoy izy no hampanarahana lalàna ilay olona kanefa ilay olona tsy nandalo fanabeazana ? Tena sarotra izany ka tsy maintsy resahana sy itadiavam-bahaolana amin’ny alalana vinam-piarahamonina. Tsy azo terena fotsiny fa tsy mila manaraka paikady mazava. Izany no antony ijoroan'ny antoko Tia Tanindrazana amina fotokevitra 3 lehibe dia ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana ary nomerika. Ireo amin'izao vanim-potoana iainana izao no lakilen'ny fampandrosoana. Ary i Madagasikara manokana dia mila manao ezaka be eo amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana. Na ny ankizy, na ny tanora na ny efa lehibe dia tokony ahazo ny anjara tandrify azy. Ny tsy fahampiana na tsy fahalavorarian'ny fanabeazana no mahatonga olom-pirenena maro manaotao foana, tsy mety mahita asa mendrika dia lasa manao asa ratsy : misoloky ,mangalatra, maka an-keriny, mamono olona. Misy ny farafahakeliny ilaina amin'ny fanabeazana mba haha olom-banona ny olom-pirenena ka ahafantarany ny azony atao ny tsy azony atao.Mila fanabeazana ampy vao mahatsapa hoe misy tombotsoa iombonana sy rafitra tsy maintsy hajaina ary soatoavina mila tandremana fa tsy hoe izay tiako ihany io. Mila tadiavina noho izany jy paika sy tetika hanatsarana ny lafiny maha olona raha te hampihatra an-tsakany sy an-davany ny lalàna fa raha tsy izany dia manjary reaabe fotsiny ilay hoe : fanjakana tan-dalàna.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT