Politique

Tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona Filoham-pirenena lasibatry ny manodidina azy tanatin’ny 4 taona


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Hatramin’ny taona 2019 no ho nankaty dia saika heno matetika ny hoe ilay filoham-pirenena efa manao ny ainy tsy ho

 zavatra fa ireo manodidina azy no misy manipy hoditr’akondro na koa hoe misy mpamosavy malemy ao an-dapa. Isaky ny misy tranga mamoha henatra mahakasika ny fitondrana ankehitriny dia ireo manodidina azy irery hatrany no voasoketa fa ny filoham-pirenena lazaina fa lasibatra na koa madio manoloana ireo tranga rehetra. Na resaka kolikoly toy izay naha voarohirohy ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika, izay heverina fa tena akaiky indrindra ny filoham-pirenena farany teo, na resaka “bonbon sucette” sy “écran plat” na koa “panier garnis”, na resaka volamena manjavona lasa vy nefa nipirina tanatina biraona minisitra sy praiminisitra dia nolazaina hatrany fa tany amin’ny manodidina ny filoham-pirenena no nisy olana. Tsy adino ny raharaha Imbiky Herilaza izay mbola nisy nidirana resaka volamena ihany koa. Volamena 73,5kg tafavoaka an-tsokosoko. Toy izany koa ny 48kg. Ny sasany any Afrika atsimo vao hita. Ny sasany any Kaomoro. Dia nolazaina hatrany fa ilay filoha mahay mitondra fa ireo manodidina azy no tena fositra. Tsy tokony ho mariky ny fahaizana mitondra voalohany ve anefa ny fahaizana mifidy ireo mpiara-miasa? Tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona na maherin’izay angamba raha tsy vao izao izany filoham-pirenena lasibatry ny manodidina azy tanatin’ny 4 taona izany ary ny tena mampanahy azy dia ny hahafeno azy ho 5 taona atsy ho atsy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT