Tsy matotra mihitsy ny politika eto

« Amoron-tevana ny firaisankina sy fihavanam-pirenena»


  • Talata 04 Jona 2024

Ny zava-misy ankehitriny dia ahatsapana fa tsy manao politika mihitsy isika ary tsy miaina intsony ny soatoavintsika,

hoy ny mpahaifiarahamonina sady filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Tena miady isika izao, hoy izy, fa tsy mba manao ilay hoe adin’ombalahin’ny mpianakavy, izay maharesy tsy hobiana, izay resy tsy ankoraina. Tsy te hahalala izay hahasoa ilay firenena intsony fa lasa izay handrombahana fahefana fotsiny sisa no heverina hoe politika eto amin’ity firenena ity. Ampitovio ny olona rehetra amin’ny lalàna ary ampiharo amin’ny rehetra ny lalàna. Tsapa koa izao fa tsy matotra mihitsy ny politika eto. Mandeha io ny fifidianana dia vita ihany amin’ny ankapobeny ny mivondrona anatin’ny hoe Firaisankina, Kolekitifa, IRMAR, tsy miankina dia maninona raha tazomina izay fa tsy hoe misy antoko politika efa ho maherin’ny 200 isa eto dia samy hanao ny azy daholo? Tombontsoam-pirenena no katsahina sa toerana? Raha ny fivondronana no mitohy dia izay isika vao tena ho afaka hampandroso firenena fa raha izao ataontsika izao tsy fitiavan-tanindrazana ary tsy mitarika ny tena fahaleovantena ho an’ny firenena fa mahatonga antsika miady misaritaka sy mifampisintona any an-davaka. Efa amoron-tevana ny firaisankina sy fihavanam-pirenena. Mbola izao nefa no politika ataontsika. Efa mahantra ara-toekarena sy sosialy dia mbola mahantra ara-politika koa dia inona izany sisa ananantsika? Miantso ny rehetra aho mba hitandrina tsara tsy hitaran’izao zava-misy izao ho zavatra hafa fa aoka mba hisy ny fifanatonana hampanjakana ny fahamarinana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT