Tsy marin-toerana ara-politika

Miezaka manenjana mafy ny mpitondra…


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Hampanantsoina sy tazonina eny amin’ny Sampana momba ny heloka bevava ny mpitarika sendika ;

efa nisy ny fisamborina sy fanadihadiana ny kandida filoha miisa roa ; nosamborina sy nogadraina ny mpaneho hevitra am-pilaminana ; depiote iray sy Sekretera Jeneralin’Antoko notazonina hatrany amin’ny 10 andro ; hatramin'ny fiaraha-miory amin'ny alalan'ny fanateram-boninkazo aza voarara ny fiaraha-mirona,... Tsy marin-toerana ary manahy mafy ny mpitondra taorian'ny fifidianana tsy neken'ny rehetra ka manenjana tanteraka ? Mandeha ny endrika fampihorohoroana mivantana na ankolaka an'ireo mpitarika herivelona samihafa handemena ny mety ho tolona sy fitakiana samihafa ? Izay mihetsika dia toa tratry ny ambana amin’ny rahonana, fanenjehana, fisamborana, fanagadrana,... Vao vita ny fifidianana no efa nanao fanambarana ny Filoham-panjakana vonjimaika Jeneraly Ravalomanana Richard, manome toromarika amin'ny hanenjehana ireo mikasa hanao hetsi-panoherana eny amin'ny 13 may tahaka ireo Firaisankinan'ny kandida. Tena miantrana am-bava basy amin'ny fampanekena ny fifidianana ny mpitondra, ka toa mampihorohoro ireo heveriny fa mety ho sakana mivantana na ankolaka amin'ny fahatanterahan'izany. Ny sary mitranga anefa, dia tena mihamafy ny krizy, mitombo ny tsy fahamarinan-toerana,... Hatramin'ireo voalaza ho nampanantenaina vola sy tombotsoa tamin'ny fandrotsaham-bato ho an'ny kandidam-panjakana aza efa manao be fiavy sy manao fitakiana, izay vao mainka mampitombo ny tsindry ampian’ny krizy ara-tsosialy tahaka ireny grevin’ny mponina noho ny tsy fisian-drano teny Ampandrianomby ireny, ny olan’ny fampianarana ambony, ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy, ny fidangan’ny vidim-piainana,... Tena any anaty fanenjanana ve no vahaolana sy politika mahomby indrindra hoenti-miatrika sy mifehy ny krizy miseho ankehitriny ? Tsy vao mainka ve mandrehitra afo ihany ny mpitondra eo anatrehan’izao efa tsy fahamarinan-toerana ara-politika izao ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT