Tsy mahazo matoritory!

Hafahafa indray ity ny tontolo


  • Alakamisy 13 Aogositra 2026

politika eto amin’ny firenena.

Nandeha teo ny vinavina mikasika ny mety hisiana fanovàna governemanta. Malaza ho misavoritaka indray ry zareo ao amin’ny antenimiera ao. Resabe ny hoe ho ravàna, tsy ho ravàna. Nijoro ho mivondrona anatina fikambanana politika milaza azy ireo ho manohana ny fitondràna ankehitriny ireo parlemanta nanohana ny fitondràna teo aloha, mba tsy ilazàna hoe, nanohana ny filoham-pirenena nisy farany teto amin’ity firenena ity. Tanatina vondrona politika nitonona ho mpanaradia mafana fo izany filoha izany mihitsy aza moa ny ankamaroany na ilay hoe UPAR, izany hoe, «Union des pro Andry Rajoelina». Ny tandapa hafa maro izay misy manasokajy hoe «forongony» tafiditra anatin’izao rafitra kasaina hanavaozana ny firenena izao moa tsy mila iverenana ampahatsiahivina intsony angamba. 10 volana mahery teo izay no nisian’izao fitondràna vaovao izao. Volana no resaka eto fa mbola tsy taona aloha. Matetika ampahatsiahivina mpisehatra politika samihafa, indrindra, mpanohana izay fitondràna mijoro eo rehefa tahaka izao ny hoe mbola tsy fotoana tokony hitsaràna ilay fitondràna izao. Fomba fijery heverina ho azo lazaina ho miabo ao anatin’ny zava-mitranga koa nefa ao anatin’izany rehetra izany ny hoe mety endrika hanehoan’izao fitondràna izao ny antsoina hoe «fisokafana» na «ouverture» amin’ny fomba fijery rehetra misy eto amin’ny firenena izao tontosainy izao. Ny mpanohana fitondràna ho raisiny mpanoro sy mpanintsy. Ny mpanohitra koa, na fahiny io na mbola ankehitriny, dia ho raisiny ho balizy tsy hampihoa-pefy azy. Fiteny matetika ao anatin’izany rehetra izany ny hoe mila mailo fa ankehitriny kosa dia heverina fa tena tsy mahazo matoritory mihitsy izao fitondràna izao! Tsy mila miroro, hoy ny any atsimo izay!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT