Tsy handrotsaka kandida ny Fiombonana

“Tsy matahotra fifidianana fa matahotra korontana izahay!”


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Tontosa omaly hariva tetsy amin’ny Villa verte Ambatomirahavavy ny kaongresy nasionalin’ny antoko politika Fiombonana.

Hevitra fototry ny antoko, hoy ny sekretera jeneraly, Durlin Retogniane, nandritry ny kabariny, ny fampiombonana ny malagasy. Raha tsy miombona isika tsy afaka hampandroso ny firenena, hoy izy. Na dia fotoana fohy aza no niorenan’ny antoko dia efa manerana faritra sy distrika maro izy izao. Mitaky mpisehatra vaovao mitondra hevitra vaovao tsaratsara kokoa ho an’ny firenena malagasy ny fiainam-pirenena. Manana hevitra amin’izany ny antoko Fiombonana. Tsy nitsahatra ny nitotongana sy nandalo krizy politika ny firenentsika tao anatin’ny 60 taona mahery. Tsy nahavita nampiombona ny malagasy izay nahazo fitondrana. Nampiasa ny fahefany ho azy samirery hitazomana ny sezany sy voninahiny. Tsy nahafa-po vahoaka ny fampandrosoana. Nisy sasany aza nanao fitaovana ny mba ampaham-pahefana azony hanangonan-karena fotsiny. Rava ny fifampitokisan’ny mpitondra sy vahoaka. Saika vokatry ny fifidianana natao an-tery ny krizy politika teto amin’ny firenena. Tsy nisy teny ierana. Tsy nisy fiaraha-mandrafitra fitsipika mazava ho an’ireo mpisehatra politika maro samihafa. Tsy nisy hevitra sy fifampifehezana niombonana. Fifanenjehana sy adilahy politika hatrany no nahazo vahana sy niseho teto. Tsy afaka hitaza-potsiny amin’izao kihon-dalana lalovan’ny firenena izao ny antoko. Namakafaka sy namantatra izay mety hitranga. Vonona hiatrika ny fifidianana amin’ny ambaratonga rehetra eto amin’ny firenena, noho izany, ny antoko. Tsapa nefa fa mitombona tanteraka ny hevitry ny raiamandreny ara-panahy ao amin’ny FFKM milaza fa ilaina aloha ny fifampidinihan’ny mpisehatra politika rehetra hamaritana ny fepetra tokony hisy mialohan’ny fifidianana hisorohana ny mety ho fifandirana hiteraka zavatra hafa eto amin’ny firenena. Tsapa fa tsy mbola tomombana ny fepetra miantoka fifidianana madio, marina, eken’ny rehetra. Tsy hanolotra kandida ho filoham-pirenena, noho izany, aloha ny antoko. Misokatra amin’ny fifampidihana rehetra kosa. Tsy matahotra fifidianana fa matahotra korontana izahay, hoy hatrany ity antoko ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT