Tsy handaitra aty atsimon’i Afrika ny «SADC Tsinjo»!

«Hahavita hanova an’i Madagasikara ho fitaratra ve ny filoham-pirenena?»


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

Ny fampanantenana nambaran’ny filohan’ny SADC vaovao, Andry Rajoelina,

tamin’ireo firenena miisa 16 mikambana anatin’izany ve hahavita hanova an’i Madagasikara ho fitaratra, hoy ny Randrana sendikaly? Hahavita hanova an’i Madagasikara ho fitaratra ve ny filoham-pirenena malagasy, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga? Raha tsy mandray ny sosokevitry ny Randrana sendikaly hoe 10 Dolara isan’andro, isan’olona, izany hoe, 300 Dolara eo ny karama farany ambany ny filohantsika dia mety miala ato daholo ireny solontenan’ny SADC tonga teto ireny ary mety mifosa any amin’ny fireneny avy any hoe ahoana moa izany fa ny an-dry lerony aza izy kay farany gisitra kanefa hoe hanenjika fahaleovantena ara-tsakafo? Ahoana no hahatratrarany an’izany? Ahoana no hitarihany antsika fa ny azy aza ao tsy arahany ny sosokevitra tsara be entin’ny Randrana sendikaly? Izay no antony nanovanay ny paikadinay ho vaovao indray manao hoe «Let’s anticipate, not just react!», izany hoe, hitenenanay ilay teny frantsain’ny rehetra izay hoe «gouverner c’est prévoir!». Izay no nahatonga anay nilaza hatramin’ny 1 may fa tokony hifantoka aty amin’ny tontolon’ny asa sy ny sehatra tsy miankina ny fanjakàna hanenjehana ity 10 Dolara isan’olona, isan’andro ity. Efa fantatray tsinona fa handray ny SADC isika ka tsy izao indray vao hiteny hoe inona no atao hanenjehana an’ity mba hahatonga antsika ho fitaratra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika na SADC. Izay no manahiràna ny mitondra an’io satria tsy mety hoe izao vao hihazakazaka hitady vahaolana amin’izay hitranga eo. Tsy mety ilay eo vao taitra fa mila miomana mialoha na ilay hoe «anticipate». Ampiasainay manomboka eto ny teny anglisy satria miteny anglisy ny maro amin’ny firenena mikambana ao, tahaka ny firenena namibianina, izay vao novangian’ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly farany teo. Ny andrasana izany dia hoe na tsy nisy aza ny tetibola nasiam-panintsiana na LFR tamin’ity dia eto izany no iandrasana ny filoham-pirenena, tahaka ny fanaony nandritry ny 7 taona. Tonga dia mandatsaka izy hoe 300 Dolara isan’olona no karama farany ambany eto Madagasikara manomboka izao satria isika efa mandroso, hoy ny afrikànina nanontrona ny fitokanana lalambe migodàna! Isika efa manana lalambe migodàna, manana teleferika, efa mandroso aty Afrika ka tokony ho fitaratra ho an’ireo firenena afrikànina hafa. Tsy hoe hanao «SADC tsinjo» eo fa tsy mandaitra aty atsimon’i Afrika ny «SADC tsinjo»! Ataovy mitodika bebe kokoa aty amin’ny tontolon’ny asa sy sehatra tsy miankina ny famatsiam-bola rehetra dia ho hitanareo fa handroso tokoa isika amin’izay ary hanomboy izany ilay karama 10 Dolara isan’olona, isan’andro, hoy hatrany ny Randrana sendikaly!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT