Politique

Tsy firindram-pitantanan’ny fitondrana “Mamotika ny tontolon’ny asa”


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Atao matotra, hoy ny Randrana sendikaly! Efa napetraka eto Madagasikara, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, ny fampiakaran-karama 250.000 Ariary ny 1 mey teo.

Taratasy nalefa, ny 4 may no tonga teny amin’ny governemanta. 21 jolay vao manao sonia ny sekretera jeneralin’ny governemanta. Izay vao nivoaka ny aty amin’ny sehatra tsy miankina. Manomboka migrevy ny mpiasa satria miady amin’ny mpampiasa. Ry zareo M1, ireo mikarama farany ambany dia 250.000 Ariary no fantany ary tokony efa akarina satria efa nivoaka ny didim-panjakana fampiharana. Amin’izao isika miteny izao, rehefa nisy izay olana eo amin’ny mpiasa sy mpampiasa izay dia nanao fanelanelanana ry zareo mpitsirik’asa dia mahagaga fa tsy any amin’ny hoe ahoana no hampiharana ilay 250.000 Ariary no voizina fa hoe ilay 30.000 Ariary omen’ny fanjakana dia toy ny tosika fameno. Amin’ny faran’ny taona dia tsy misy intsony. Hidina 217.000 Ariary izany ny karaman’ny mpiasa manomboka ny 2023. Ho lalaovina ve izany ny sehatry ny asa tsy miankina? Maninona no ry zareo ao amin’ny fitsirihana asa na “inspection de travaille” indray no lasa mivoy ilay 9,9%? Tsy navoaka lalana nefa iny. Ilay 250.000 no nivoaka lalana. Ny minisiteran’ny asa izay misy ny sampana fitsirihana asa no minisitera naharitra indrindra tamin’izao fitondrana izao. Izany hoe raha miresaka isaky ny manolo mpikamban’ny governemanta ny filoham-pirenena ka hoe izay tsy mahay dia esorina dia mahay izany ny minisitra sy ny mpiara-miasa aminy matoa tsy nesorina. Maninona nefa no namoaka iny didim-panjakana 626-2022 iny ny governemanta, namoaka koa ny fiadidiana ny repoblika saingy tsy manaraka ny fanapahan-kevitr’ireo ve izany ny minisiteran’ny asa fa hanao lalana manokana ho azy indray? Mamotika ny tontolon’ny asa ny tsy firindram-pitantanana toy izany ao amin-drizareo fitondrana, hoy hatrany ny Randrana sendikaly. Tsy misy karama midina izany ao anaty lalana, hoy izy ireo.
J. Mirija
Legende: Nahavatra nizara itony mihitsy ireo mpitsirika asa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT