Zavatra telo loha no heverina fa azo amahana ny olana miseho lany amin’ny tsy faneken’ny ankolafy Ravalomanana ny fanendrena ny praiministra Beriziky Omer ka tsy hitohizan’ny krizy intsony, hoy ny mpandalina politika Raholdina Faneva.
Voalohany, hoy izy, rah atsy maintsy ho praiministra ihany Ingahy Beriziky Omer dia tokony handresy lahatra ny ankolafy Ravalomanana izy ka aneho ny maha-tsy mpomba ny atsy na ny aroa azy ary hanafaka ny ahiahin’io ankolafy io aminy. Ny olana ho vahana, hoy izy, dia tsy inona fa ny fahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana mody tsy misy fepetra araka ny andininy faha-20 amin’ilay tondrozotra ary afaka manao politika sy milatsaka ho fidiana. Nomeny ohatra tamin’izany ny zava-nisy tamin’ny krizin’ny taona 1991 izay nanendren’ny filoha Ratsiraka ny praiministra Guy Willy Razanamasy nefa dia nolavin’ny Hery Velona Rasalama izany. Rehefa noreseny lahatra kosa anefa ity farany dia tonga tamin’ny fifanarahan’ny 31 okotobra ny raharaha ka nanaiky azy ho praministra ihany ry zareo Hery Velona Rasalama ireto.
Faharoa, dia tsy tokony hiditra mihitsy ao anatin’ny governemanta izay hatsangana eo ny ankolafy Ravalomanana raha tsy mivaha ny olana voalaza etsy ambony, na koa mitaky ny ahazoana ny ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny fitsarana farafaharatsiny.
Ny fahatelo farany moa, rehefa hita fa tsy ankatoavin’ny ankolafy Ravalomanana mihitsy io praiministra io dia ny fanovana azy mihitsy no tokony ataon’ny filohan’ny FAT ka rehefa ny avy amin’ny ankolafy Zafy Albert no nandresy lahatra azy dia manendry olona iray avy amin-dry zareo izy. Fa ny tena mety anefa, hoy ity mpandalina politika ity, dia avy amin’ny ankolafy Ravalomanana no tendreny amin’izay tsy misy ahiahy intsony eo amin’ny roa tonta.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.