Tsy fandriampahalemana, delestazy, fako

Nampaneno lakolosy ny Filohan’ny Antenimierampirenena


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Nanamafy ny ahiahiany momba ny firongatry ny tsy fandriampahalemana miseho amin’ny

endriny maro, ny olan’ny delestazy, ny fivangongoan’ny fako eto an-drenivohitra,… ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoanan’io andrim-panjakana io. Tokony hitady vahaolana maharitra ny fitondram-panjakana, raha ny nambarany. Momba ny toe-draharaha politika, notsipihiny fa hitohy ny vovonana fanelanelanana natombony niaraka tamin’ny FFKM. Tsy misy mihitsy ny fiketrendrena hanohitra ny fitondrana mipetraka, fa ao mizotra ao anatin’ny diplaomasia parlemantera mba hamerenana ny fitoniana. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny fahafahana maneho hevitra am-pitoniana, ary tokony ho afaka haneho hevitra tsy misy herisetra ny rehetra. Niarahaba ny Filoha vao lany izay tafaverina amin’ny toerany ihany koa moa i Christine Razanamahasoa tao anatin’io. Tsiahivina hatrany fa tazana nandritra ny fihanianana tetsy Mahamasina ny tenany. Izy izay nosokajian’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho mitarika vovonana mpanohitra sy mikotrika fanonganam-panjakana, ary noroahana tsy ho mpikambana TGV. Niravona ve ny olana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT