Politique

Tsy fahita tao anatin’ny 60 taona Nisy namoaka ny antso an-telefaonin’ny Filoha


  • Talata 28 Martsa 2023

Mitohy hatrany ny fivoahana tsiambaratelom-panjakana samihafa, ary efa ny Filoham-pirenena mihitsy ankehitriny no lasibatra. Nisy nanaparitaka indray mantsy ny horonam-peo izay heverina fa tafiditra ao anatin’ny tsiambaratelo.

Horonam-peo miendrika toromarika natao mikasika ny toe-draharaha tany SAVA sy ny tetsy Vontovorona raha ny fahafantarana azy. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: tena mbola voafehy sy manohana ny Filoha ankehitriny 100% ve ireo olona manodidina azy sa misy ny efa manipy hoditr’akondro sy efa manapasaka ny dosiem-panjakana? Tena saropady ary andrim-panjakana ny Filoham-pirenena, saingy izany ny zava-miseho. Tsy hisy tsiambaratelo hivoaka izany raha tsy ny ao anatiny ihany. Ny fivoahan’ireny anefa vao mainka mety hamotika tanteraka ilay filoha sy ny hasin’ny fitondrany. Raha ilay horonam-peo farany malaza izao, dia toa manome toromarika ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ao anatin’ny governemanta mba handraisana fepetra teo anatrehan’ilay tranga naneren’ny olona mpisehatra amin’ny lavanila hanala ny akanjo misy “t-shirt” an’I Andry Rajoelina tany Sambava. Nosokajiana ho andian’olona vitsy, ary zavatra efa tena voahomana ny fahitany azy satria mbola vao niala lavitra dia efa nisy naka horonan-tsary. “Mba hampihorohoroana izay olona manohana antsika izany, ary indrindra mba atahoran’ny olona hanao t-shirt fa mba hifamonoan’ny Malagasy ihany koa. Adidintsika, adidinareo ny hoe: ahoana no hanatsaharana an’io? Ny soso-kevitro dia tsotra hoe: satria voakarama ny olona nanao an’io dia miantso fijoroana vavolombelona ny polisy any an-toerana ka izay rehetra olona nanao ireny fihetsika ireny na misy olona manana horonan-tsary izay olona namono an’iny olona iny dia tokony manao filazana (aveu) hoe: nokaramain-dRakoto na Rabe dia tokony hofaizintsika Mr le Minisitre! Izany no zavatra tokony hatao, ary tsy tokony havela handehandeha fotsiny amin’izao ireny izany zavatra ireny”, hoy ny horonam-peo. Tena izay ve ny tena zava-nisy anefa sa ezahina hotadiavina izay azo hamaharana ny rihitra? Tsy vao mainka ve hahatezitra ny olona any SAVA raha izany no tanteraka?

SAO MAMADIKA ?

Isan’ny voaresaka ihany koa ny raharaha Politeknika Vontovorona hoe: iza no nanome toromarika an’ireny fanaovana baomba lakrimozenina hatrany anatina (sekoly?) tany Vontovotona satria raha tena nisy marina ireny dia asa sao dia sanatria “taupe” ao amintsika tena mandrotika sy miteraka fahasorenana ho an’ny olona ihany?” hoy ny fanontaniana. Nanome toromarika fa mila mijery tsara ny olona izay mikaomandy eny an-toerana mba tsy hanao herisetra na hanao zavatra mety hasosotra ny vahoaka ihany koa.

Toky R

Entrer
Écrire à Toky Rafalimanana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT