Tsy fahaiza-miasa sa fiangarana ?

Rehefa mahakasika fiainam-bahoaka dia miandry kely foana


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

Rehefa hoe hanao fety na lanonana amin’izao karazan-javatra rehetra

izao vetivety dia vita ny fiomanana ny fanapariahana ny vaovao. Ao anatin’ny 2 andro dia efa tapitra mahafantatra ny hitranga Madagasikara iray manontolo. Dia mandeha eo ny kabary fampanantenana .Rehefa zavatra mahakasika mivantana ny fiainam-bahoaka anefa, dia hoe misy fepetra tsy maintsy arahana, avoaka aloha ny antso tolobidy jerena hoe iza no hahazo azy. Mbola jerena tsara ihany koa hoe aiza ny tetibola hanatanterahana ny asa, izay vao mety hanomboka ilay asa.
TOKONY HO ASA MAIKA
Io izao ilay lalana efa tena ratsy, misy rano maloto , fako, lavaka manakaiky ny vatobe 67 Ha.Efa impiry nisy nisintona lakolosy ny tokony hijeren’ny kaominina na ny fanjakana foibe azy io tao amin’ny tambazotra sosialy facebook, ny antso allo allo amin’ny onjampeo, soratra anaty gazety, vaovao sy fanehoan-kevitra amin’ny haino aman-jery. Fa dia mbola ao ihany, tsy misy mpijery ilay lavaka ary miha ratsy hatrany. Raha tonga ireo milin’ny jirama ao Toamasina dia nanapa-kevitra ny minisiteran’ny asa vaventy fa misy ny asa maika na travaux d’urgence tsy maintsy atao : fanamafisana tetezana miisa 13 sy famboarana ireo lalana tena ratsy. Fa tsy mba azo atao eny amin’io lalana ratsy be, mampitohana fifamoivoizana sy manimba fiainam-bahoaka eny amin’ny vatobe 67 ha io angaha izany ? Moa tsy efa nisy ve ny fanolorana fitaovana sy tetibola ny isam-paritra amin’ny alalan’ireo governora fa hoe hanamboatra lalana ? Sa efa lany tsy nisy fameriny intsony ? Dia rehefa hidina an-dalambe higrevy be sy handoro kodiarana indray ve ny olombelona eny amin’io faritra io vao hamono afo hoe eo ary fa amboarintsika io.Sa hiandry avy orana aloha amin’izay simba tsara dia indro fa tongan y mesia hamonjy ny vahoaka fandiranovana ? Mahakaska mivantana ny fiaim-bahoaka io lalana potika io ary tena misy fiantraikany amin’ny fihariana sy ny toe-karena, mamono antoka. Azon’ny fanjakana foibe atao tsara ny manome baiko ny amin’ny hanamboarana maika azyrehefa tsy ampy tetibola ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Saingy tsisy tonga saina, tsisy miteny fa dia avela ao ilay izy. Rehefa fiainan’ny vahoaka madinika ve izany dia miandry kely sy miafy kely foana aloha ?
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT