Politique

Tsy fahafehezana arofenitra Sambany nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena


  • Zoma 26 Mey 2023

Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.

Mbola tsy hita tao anatin’ny 60 taona moa, hoy ny fomba fiteny malaza izay. Araka ny tati-baovao voaray omaly dia tsy araka fitokanana zava-bitan’ny fitondrana ankehitriny tao Fianarantsoa omaly satria ankoatry ny fitokanana ny biraon’ny fokontanin’Ambatolahikosoa io dia notokanana niaraka tamin’izay ihany koa «Chapelle militaire SEMIPI», biraon’ny filaminam-bahoaka, biraon’ny asam-panjakana, lalana rarivato Antanambao – Tsitiana. Mbola hitohy anio ny fitokanana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Matetika no efa voatsikerana mpanao politika sy mpamakafaka avy amina firehana maro ny mikasika ny tsy fahafehezana arofenitra, izay zary toy ny lasa mahazatra no nahita azy tato anatin’ity fitondrana ity. Hatrany anatina tombola ve tokony hisy sarina filoham-pirenena? Miverina foana koa ny fanontaniana hoe dia tsy misy tomponandraikitra efa voatendry tokony hanao azy ireny ve ary tsy misy andraikitra hafa manan-danja kokoa tokony ataon’ilay filoham-pirenena izay mifanitsy amin’ny sata maha filoham-pirenena azy no dia ataony hatramin’ny mandoa-bary ho an’ny traboina sy mitokana biraom-pokontany vao nolokoina volomboasary androtr’iny omaly iny ihany? Vao omaly nialohan’ny hitokanana azy tokoa tsinona vao nolokoina volomboasary ilay biraom-pokontany raha toa ka mavo no lokony teo aloha. Aiza moa ilay filoham-pirenena no tsy hisalasala akory hiteny fa niari-tory namoron-kira ho an’ny lalaon’ny nosy ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT