Tsy dia mahazo rirany amin’ny Tandrefana

Mitady vola tsy dia be fepetra amin’ny sinoa, arabo,…


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Sahirana tanteraka ny fitondrana Rajoelina ! Mitsingevaeva eo amin’ny lafiny

diplaomasia, fiaraha-miasa iraisam-pirenena, famatsiam-bola,... Marefo ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, raha tarafina amin’ny zava-mitranga ankehitriny. Naman’ny mihantona ny fanampiana ara-bola 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa amin’ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola mihantona,… Mihamafy ny fepetran’ireo mpamatsy vola mahazatra amin’ny lafiny maro: toy ny tsy fanatosahana ny volam-panjakana any amin’ny Jirama sy ny resaka solika, izay manery tsikelikely makany amin’ny « vérité de prix », ny ady amin’ny kolikoly, fanajana ny demokraisia, Fanjakana tan-dalàna, demokrasia, zon’olombelona,… Betsaka ireo fandaharan’asan’ny mpitondra izay mijanona ho makety sy vinavina satria tsy misy famatsiam-bola. Vokany, miezaka mafy mitady tany malemy hanorenam-pangady ny mpitondra ankehitriny. Mitady hevitra mafy hahazoana vola amin’ireo vondrona na firenen-kafa tsy dia misy fepetra be mihoatra ny an’ny Tandrefana. Mirangorango mafy amin’ny sinoa, manao pimaso mafy any amin’ny Arabo, ka taratr’izany io fihazakazahana indray any Dubaï io. Manomboka maka toerana amin’ny famatsiam-bola ireo tetikasa lehibe ny sinoa. Ny arabo amin’ny alalan’ny BADEA no voafaritra fa hamatsy vola ny fananganana ny Fly Over izay mbola tsy misy tokontaniny aloha ny fanatanterahana azy, ny Ejiptianina no nahazo ny tsenan’ny fanamboarana « Autoroute » Antananarivo-Toamasina, saingy tsy tena mbola misy zavatra be misongadina aloha. Somary mihisatra kosa ny fanamboarana ny RN13 izay misy famatsiam-bolan’ny BEI, saingy toa ny am-paosy aloha no tena nahetsika amin’ny fanamboarana ny tapany voalohany 110km amin’ny 490km, ary ny orinasa goavana iray amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany no isan’ny asaina mitondra vola ao anatiny, mihisatra ary ahiana hitsefotra ny tetikasa sahofika hamokarana herinaratra 200MW eo noho ny fisintahan’ny orinasa Frantsay Eiffage sy ny tohiny manjavozavo eo amin’ny Fanjakana sy ny Neho,… Mitady izay harapaka ny mpitondra ary mety hahazo saingy tsy maintsy misy tambiny ! Tsiriritin’ny sinoa sy ny arabo mafy ny harenantsika toy ny tany, harena an-kibon’ny tany, volamena,… ka sao dia efa kajy efa vita ohatra ny resaka fanondranana volamena 15 taonina isan-taona, ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna mirongatra,… ? Marina fa misokatra amin’ny rehetra isika fa hanao ahoana ny ho fihetsiky ny Tandrefana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT