fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.
Tsy atao ihany koa mazava ho azy ny miraviravy tànana sy manaiky lembenana hoe : io aloha no misy ! Matoa tonga amin’izao, dia manana andraikitra ary tompon’andraikitra voalohany ny fitondram-panjakana satria fositra voalohany ny tsy fahombiazana. Ny sary mitranga anefa, dia toa mitohy ny politikan’ny tsy fihainoana, fanaovana bemarenina, fampanantenana poakaty, fanjonoana vahoaka,… Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana isika izao dia mandeha indray ny fanjonoana vahoaka samihafa. Mihevitra ve ny mpitondra fa mbola tsy nahazo lesona ny Malagasy fa tsy nampandroso ary tsy nitondra fivoarana ho an’ny fiainany ny koveta, menaka kely, vary kely,… Marina fa hisy hiteny indray hoe : nareo aza tsy manao saingy mila mijery lavitra, mila manao zavatra maharitra tena mahasoa ny vahoaka,… Tena efa ampy izay ny fanambakana sy famitahana fa indrindra ny fanararaotana ny Malagasy eo anatrehan’ny fahalemeny, ny fitezana azy ho bado mba hahafaha-mampatory sy manambaka azy ! Ho avy ny fifidianana, ka raha ny zava-misy ankehitriny, dia io delestazy tsy voafehy sy miha zava-doza andro aman’alina io dia efa ampy tsy hahalany ny kandidam-panjakana, raha tena fifidianana madio. Anjaran’ny olom-pirenena ihany koa anefa avy eo no mijery tsara sao miala lavaka dia miditra hantsana ! Tsy azo atao intsony ny diso safidy, mihinana am-bolony, mifidy an-jambany hoe : satria leo an’ity aho dia tsy maintsy itsy, fa aleo tena mandinika sy mijery hoe : iza marina no tena afaka hitondra rivo-baovao !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.