Politique

Tsy azo atao ankamehana ny fifidianana “Mbola tsy mifampatoky isika malagasy


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny fitsanganan’ny Hetsika iombonana ho fanarenana sy fanorenana ifotony an’I Madagasikara na H.I.F.F.I.M.

Tsy misy fampandrosoana raha tsy mandray anjara na ampandraisina anjara amin’izany ny malagasy rehetra, hoy ny nambaran’izy ireo. Tsy maintsy atao ny fanarenana satria be dia be ny asa vita teto hatramin’ny repoblika voalohany ka hatramin’izao. Fantantsika anefa hoe aiza I Madagasikara ankehitriny, araka ireo tarehimarika hita. Fahaefatra amin’ny firenena farany mahantra I Madagasikara izao. Mampalahelo izany. Mbola tsy mifampatoky isika malagasy. Mbola misy ny fifanavakavahana. Mila sahanina voalohany noho izany ny fampihavanana ny vahoaka malagasy. Rehefa mihavana isika dia vonona hiray hina hiatrika izao zava-misy izao. Ny fokonolona malagasy no tsy maintsy hampandraisina anjara. Apetraka anatin’izany, ohatra, ny Kianja maitso izay efa iainan’ny vahoaka malagasy hatramin’izay ary mbola misy mametraka hatramin’izao. Mahafinaritra ny fiainan’ny malagasy anatin’izany rafitra Kianja maitso izany. Tsy maintsy miatrika ny fifidianana isika na tiantsika na tsy tiantsika. Tsy azo atao akamehana izany dia ho be dia be no tsy ho tafiditra anaty lisitry ny mpifidy na tsy lavorary ny lalam-pifidianana. 28 tapitrisa izao no isantsika malagasy. 14 tapitrisa eo izany tokony hifidy. Mika kara-panondro biometrika izany mba tsy hisian’ny hosoka. Mila atao ny fihaonamben’ny malagasy iray manontolo, noho izany, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT