Efa fomba fiasa amin’ny fanaovana politika, indrindra fa amin’ny vanim-potoana tetezamita tahaka ny misy eto amintsika amin’izao fotoana ilay «zarazarao hanjakana», fampiasan’i Galliéni fahiny nanalefahany ny herin’ny Malagasy izay sahy nanohitra ny mpanjanatany.
Tena matanjaka amin’io ny Frantsay ary nampiasa izany foana teto Madagasikara na dia efa nambara fa nahaleotena aza isika. Variana amin’ny resaka sori-dalana sy SADC ny olona amin’izao fotoana. Mety variana tahaka izany koa angamba ny mpanao politika sasany, saingy tsy tokony hohadinoina fa tsy lavitr’izao sangodim-paninana izao ny diplaomasia Frantsay, izay tena miasa mafy any ambadika any, mikaroka ny fomba rehetra haneken’ny sehatra iraisam-pirenena ny FAT ary tsy mandry andro tsy mandry alina mikaroka hevitra hisakanana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto.
Ny ankolafy Rajoelina, izay efa mazava hatrany am-boalohany fa tohanan’ny Frantsay no mahazo tombony voalohany amin’ny fitarazohan’ny tetezamita. Mahazo aina koa ireo mpanao politika faly manangon-karena amin’izao fotoana. Ny fitsarana mantsy dia sahirana mitady dosie hanenjehana ny filoha teo aloha sy ireo izay miara-dia aminy. Tsy nanaiky ny Frantsay tany Libia raha tsy nirodana ny filoha Kadhafi. Tsy resaka demokrasia sy fanajana no zon’olombelona no mahamaika ny Frantsay any fa ny solika.
Resabe ny ankoatra izay. Ny mampanahy amin’ity toe-draharaha eto Madagasikara ity dia ho variana amin’ny fomba hanatanterahana ilay sori-dalana ny mpanao politika, mifanasa vangy ny amin’ny isan’ny ministera sy ny mpikambana ao amin’ny parlemanta dia mihisatra ny raharaha, ireo orinasa Frantsay anefa manomboka maka toerana ihany amin’ny seha-pihariana rehetra, ny famokarana, ny fizahantany, ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, ny fandraharahana amin’ny hotely, hidiran’izy ireo avokoa izay azo hidirana rehetra, tsy resahana intsony ny famaritana tany etsy sy eroa izay tena hanjakan’ny vahiny tokoa izao tato anatin’ny telo taona. Hoy indrindra ny mpanara-baovao politika iray hoe : «voazarazara ho antokon’olona sy vondrona politika ny Malagasy, mifanebaka sy mifanakiana, fa ny vahiny migalabona maka sy manangona ny harena rehetra eto. Ka rehefa tsy misy na inona na inona intsony ve eto vao ho tonga saina isika ka hahay hifamela sy hihavana dia hiara-hiasa amin’izay ?».
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.