Politique

Tsy aritra Tsy afa-miala amin’ny SADC isika !


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Fivoriana isan’andro ny an’ireo mpanao politika, saingy tsy dia misy loatra ny vokatra azo antenaina, raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika iray azy.

 Efa mazava mantsy ny resaka, hoy izy fa avy any amin’ny SADC izay notendren’ny fianakaviambe iraisam-pirenena handamina ny krizy Malagasy ny toromarika rehetra. Efa nisinisy ihany izay fivoriana notanterahana teto Antananarivo izay, fa tsy maintsy niandry ny iraky ny SADC na ny fanaovana ny rangopohy, na ny fanasoniavana ny sori-dalana. Maro ihany koa ny mahita sy mahatsapa ankehitriny fa be fihetsiketsehana fotsiny ireo mpanao politika fa raha ny tena marina dia tsy mahatapak’ahitra izy ireo satria sady samy tia vola no tia seza sy voninahitra.

Tena sahirana sy latsaka an-katerena i Madagasikara amin’izao fotoana, koa noho izany, na ny FAT sy ny mpanara-dia azy, na ny mpanohitra amin’ny alalan’ny Ankolafy 3 na ireo vondrona politika hafa milaza fa tsy momba ny atsy na ny aroa dia tsy afa-miala intsony amin’ny fanampian’ny sehatra iraisam-pirenena. Manify dia manify ny tahirim-bolan’ny fanjakana Malagasy satria tsy nisy ny famatsiam-bola avy any velany tao anatin’ny roa taona sy tapany mahery. Arakaraka ny mampitarazoka ny krizy anefa no mampitombo io fiankinan-doha amin’ny any ivelany io. Koa tsy mahagaga mihitsy raha ny SADC no mibaiko sy manome toromarika. Ny fanoherana na tsy fanarahana izany dia hampitombo kokoa hatrany ny fahoriana sy ny fahantrana eto. Tsy mbola tonga eo amin’ilay toerana afaka mitrerona ny vazaha aloha izao ny Malagasy satria mbola mangata-bola any aminy, izay no tokony hampieritreritra sy hahatonga saina ireo mpanao politika hoe : mila faranana haingana ny krizy ary hifanome tanana ny rehetra hanarina haingana ity firenena ity.

Tsy ny fanenjehana na fanagadrana ny mpitondra teo aloha mihitsy no hamaha ny olana eto. Fotoan’ny fifamelana sy fihavanana izao, hoy ny raim-pianakaviana iray raha naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena, dia nampiany hoe : «azo atao tsara ny miara-miasa amin’ny vahiny saingy mila mpitondra tena matsilo saina sy tsy manaiky lembenana kanefa mahay diplaomasia tsara izany». Tsara ary ilaina ny fitiavan-tanindrazana, hoy ny mpandinika iray, saingy tsy midika velively ho fitiavan-tena sy fieboeboana ho mahavita tena samirery izany. Koa anjaran’ny tsirairay no mieritreritra sy mandinika tsara na hororitina amin’izay itiavan’ny mpanao politika azy fotsiny ny fandaminana ity krizy ity na ampiharina ny marimaritra iraisana eken’ny besinimaro, tsy maintsy mailo kosa anefa amin’ny fihetsiky ny mpanelanelana sy ireo firenena vahiny goavana satria mba mitady izay tombontsoa ho azy koa izy ireo !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT