Tsotsorimamba isarahana

Misy depiote tsy lany mety hogadraina…


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny 2019 !

Tapitra tanteraka anio ny taom-piasana ho azy ireo, ka hamarana tanteraka ny fivoriana sy ny taom-piasana tao anatin’ny 5taona izy ireo anio etsy Tsimbazaza. Maro ireo handao tanteraka an’i Tsimbazaza fa misy ihany koa ireo tafaverina.Betsaka ireo zavatra nanamarikaio Antenimierampirenena amin’izao endriny hifarana anio toy ny : fahalanian’ny Filohany Rtoa Christine Razanamahasoa 100% ary naongana nialohan’ny fotoana sady tsy ho filohana andrim-panjakana sy tsy depiote volana vitsy nialohan’ny fahataperan’ny taom-piasana ; ny fisian’ny fitsipaham-pitokisana nisiana fanangonan-tsonia 105, izay nanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra ny herinandro voalohan’ny desambra 2022, saingy natsefotra ka voalaza fa nisy dian-tànan’ny Filoham-pirenena ; ny fisian’ny fanonganana ireo birao maharitra 3 izay nitsefotra dia ny Filoha lefitry ny Faritanin’i Toliara Atoa Rabenirina Jean Jacques, ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa Razafitsiandraofa Jean Brunelle, ny Kestora Rabenirina Mamy,… izay tsy nisy voahongotra, ka ny roa amin’izy ireo dia isan’ireo mbola tafaverina ho depiote. Betsaka ireo depiote nanamarika an’iny 5 taona farany iny tsy ho tazana intsony ao Tsimbazaza, toa an’ireo sasany nisintaka tamin’ny IRD ary toa natao izay nanapahan-tenda ara-politika azy toa an-dry Rahasimanana Paul Bert na Rossy, Christine Razanamahasoa, Brunelle Razafitsiandraofa,… Tahaka izany ihany koa ry Keron Idealson, Masy Goulamaly, Doda Andriamiasasoa, Johasy Eleonore, Voninahitsy Jean Eugène izay nisafidy ny tsy hirotsaka,… Misy an’ireo depiote no voatonontonona tamin’ny afera samihafa indrindra fa ireo tsy dia nitovy tadin-dokanga tamin’ny volomboasary ka handeha ve ny fanenjehana ireo voasaringotra satria miongotra ny zo tsy azo henjehina na « immunité » parlementaire? Anisan’izany ny depiote iray tao amin’ny Faritra Atsinanana voatonontonona tamin’ny trafikana volamena, ny filohan’io andrim-panjakana io teo aloha izay mety hisy dosie hipoitra na hamoronana ka hatao izay hahanginany tanteraka rehefa sarotra ny hanagadra azy, ny minisitra roa vavy teo aloha izay mety ho tratry ny famohazana dosie tsy ampoizina, ireo nitsikera mafy ny fitondrana nivadika loko nakany amin’ny mavomavo,… Afaka ny zo tsy azo henjehina, ka mety hihetsika na hohetsehina ny Bianco, ARAI, PAC,… Heverina ho tonga amin’ny tsotsorimamba farany rahateo ny fitondrana, taom-piasana farany ho an’ny volomboasary ity 5 taona farany ity, ka mety handeha ny tsipaky ny miala aina, ary mitady vola rahateo ny Fitondrana.

MISY IREO NODIOVINA TAO ANATY FIFIDIANANA…
Ho tratran’izay ve anefa ireo olon’ny fitondrana voatonontona tamin’ny afera maloto toy ny Kestora iray izay tsy lany intsony, izay ny depiote iray tao amin’ny distrika nahalaniany ihany aza no nanontsana azy tamin’ny resaka fitantanam-bolan’ny Antenimierampirenena tamin’ny vanim-potoanan’ilay fitsipaham-pitokisana ? Hilamina kosa ireo nanana dosie maloto nodiovina tao anatin’ny fifidianana depiote, izay samy nisy raharaha nahasaringotra azy ny Minisitra 4 farafahakeliny, saingy nangina sy nampanginina. Tahaka izany ihany koa ireo depiote voatontonontona tamin’ny afera solika mitapoka, ny nandripaka sy nitatitra hazo arovana,…
Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT