Politique

Tsotsorimamba farany ! Tsy sahy miatrika ny depiote ny governemanta…


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

Raha ny talata lasa teo no efa nitaterana teto amin’ny Tia Tanindrazana fa

mety tsy ho raikitra ny fifanatrehana na «face à face » eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta amin’izao fifaranan’ny fivoriana ara-potoana izao, dia mizotra amin’izany ny raharaha. Efa namaritra ny Antenimierampirenena tamin’ny alalan’ny "conférence des présidents", fa ny zoma faha-8 desambra ho avy izao no hanatanterahana azy io. Lamina izay nolaniana tamin’ny fivoriana mikasika ny fandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana teo anivon’ny antenimierampirenena. Nilatsaka anefa ny taratasin’ny governemanta niantefa amin’ny Antenimierampirenena omaly, fa tsy hanatrika an’izay « face à face » izay, hamaly an’io an-tsoratra. « Misy taratasy izay manambara fa ny governemanta dia vonona hamaly an-tsoratra ny fanontaniana rehetra », hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenana Christine Razanamahasoa. « Tazomy amin’io ny tetiandro, apetraho ny « question-réponse », adidy sy andraikitsika ny mitondra ny hetahetam-bahoaka amin’ny toerana naha voafidy », hoy ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD. Tsy misy hasina amin’ity Fitondrana ity intsony ny lalàmpanorenana sy ny andrim-panjakana, hoy kosa ireo depiote avy amin’ny fanoherana, izay nampahatsiahy, fa tsy voalazan’ny lalàmpanorenana ny famaliana an-taratasy, fa ny fifanatrehana no voafaritry ny lalàna. Nosokajian’ny solombavambahoaka ho tsy fanarahan-dalàna noho izany ny fihetsiky ny governemanta. Takian’ny solombambavambahoaka moa ny fanaovana jery todika ny fifidianana eo anatrehan’ny ahiahina hosoka, mba hanarenana ny fifidianana,... Tahaka izany ihany koa ny fanaovana jery todika ny asan’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny 5 taona sy tao anatin’ny heritaona farany,… saingy io tonga amin’ny tsotsorimamba hisarahana io, izay toa ao anatin’ny lonilony sy fifanandrinana hatramin’ny farany na efa ho rava aza ny tsena.
NIFANENJANA HATRAMIN’NY FARANY
Manamafy ny fisian’ny krizin’Andrim-panjakana efa tao anatin’ny herintaona katroka io. Tsy tena nisy ny fihaonana vanona teo amin’ny roa tonta tao anatin’izay noho ny fifanandrinana tao anatin’ny fitsipaham-pitokisana sy fanatseforana izany nataon’ny fahefana mpanatanteraka. Nitohy tamin’ny toe-draharaha politika nafana samihafa : fanonganana tsy tanteraka ny mpikamban’ny mpirao maharitra miisa 3, tsy fisian’ny fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023, fanenjehana sy fanasokajiana ny Filohan’ny Antenimierampirenena ho mpitarika vovonana mpanohitra sy mpanongam-panjakana,… dia izao tsy hisy fifanatrehana izao indray. Io anefa no heverina fa fihaonana sy fifanatrehana farany eo amin’ny governemanta ankehitriny amin’izao endriny izao sy ny depiote. Tsy maintsy ho rava ny governemanta taorian’ny fifidianana filoham-pirenena ary mbola baraingo ny ho endriny aoriana. Mety ho isan’ny olana politika iray hanahirana an-dRajoelina ny Antenimierampirenena na amin’izao endriny izao na aoriana, indrindra raha tsy mahazo maro an’isa. Nifanenjana hatramin’ny farany ny depiote sy ny governemanta raha zohiana amin’izao zava-misy izao na ny avy amin’ny IRD aza no voalaza fa maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena. Raha ny zava-nisy farany teo, nolanian’izy ireo tsy nisy fanintsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na PLF2024, raha toa ka nivoaka ny ankamaroan’ireo depiote avy amin’ny vovonan’ny fanoherana. Ho an’ny teny amin’ny Antenimierandoholona, dia niroso tamin’ny fandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana omaly, ka ny ny zoma 08 desambra 2023 amin’ny 10 ora maraina no handinihina mandritra ny vaomiera itambarambe sy handaniana ny Volavolan-dalàna laharana faha 023/2023 mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT