Tsivery Mao Tse-Toung

«Aoka tsy hiverina eo intsony izay


  • Alakamisy 02 Oktobra 2025

namarina ny firenena tanaty lavaka!»

Manaraka ny raharaham-pirenena ankehitriny ny hery politika rehetra eto amin’ny firenena, hoy ny mpamakafaka sady mpanao gazety, Tsivery Mao Tse-Toung. Indraindra, hoy izy, mampanontany tena hoe misy raiamanadreny ve eto amin’ny firenena fa dia isaorana aloha ireo raiamandreny nitondra ny teny tao anatin’izao tranga izao. Singanina manokana anatin’izany ny Fivondronamben’ny Eveka. Teo ny FFKM ary somary tononiko manokana eto ny filohan’ny FJKM teo aloha izay naneho ny fahitàny ny toe-draharaha sy niantso fifampidinihana sy fifampihainoana eto amin’ny firenena. Izany tokoa no hita fa banga eto amin’izao firenena ankehitriny izao. Manana raiamandreny isika ka aoka hihaino ihany koa ny feon’izy ireo! Tsy vao izao no nisy tanora nitolona teto amin’ity Madagasikara ity fa efa tany amin’ny taona 1972 tany. Taona 2025 isika izao, mbola mahatsiaro tena ny tanora ankehitriny fa mbola tsy afaka dia ireo mijoro ireo ary izay no hifampaherezana sy hifanohanana hivoahan’ity firenentsika ity satria raha izao isika no mbola ho latsaka lalina indray dia tsy hay intsony hoe any amin’ny lavaka mangitsokitsoka fahafiry izany? Izaho manokana dia miantso fampihavanam-pirenena. Mila izany ny firenena ankehitriny ary aoka tsy ho fitadiavan-tombontsoa na seza na famafàna sy fanakonana ny ratsy natao izany! Aoka mba ho tombontsoan’ity tanindrazana malalantsika ity no hanaovana izany! Izao iainantsika ankehitriny izao no atao hoe tantara miverina. Lasa miaina tarazo isika. Nifanilihana tamin’izany ny hoe misy mpitondra fanjakàna afaka mibaiko mpitandro filaminana ve? Mbola toy izany ihany no fanontaniana mipetraka androany. Tokony ho arovana amin’ny mpandroba ny fananan’ny olona saingy tara moa ny fanapahan-kevintsika dia izao no hiafaràny. Ry tanora mitolona, aoka isika andeha amin’ny heritreritra fa tsy amin’ny fo! Isaorana ny fitiavan-tanindrazana asehontsika. Aza mialokaloka amin’ny hoe tsy misy idiran’ny politika fa vao kilasy famaranana isika dia nampianarina fa politika io ataonareo io. Nampianarina ny famaritana ny atao hoe politika isika. Fampianaran-diso ny filazàna fa halatra no atao hoe politika. Ny politika dia ho entina mibanjina ny hoavin’ny fiarahamonina misy antsika. Aoka tsy hiditra anaty fandrika isika fa betsaka ny milalao ny fiainam-bahoaka, ny hevi-bahoaka sy ny fijoroan’ireo mitolona ankehitriny. Nahagaga ihany ny fivoahan’ny filoham-pirenena tamin’ny fahanginany izay somary nitodika tamin’ny tanora. Efa tany amin’ny taona 2009 tany ny filoham-pirenentsika no atao hoe tao anatin’ny fahatanoràny ary niezaka ny hoe hitondra ny hiakan’ny tanora fa izao indray izy vao hoe miantso ny tanora sy maheno ny hikiakany. Ireo tanora tamin’ny 2009 mety efa tsy tanora intsony ankehitriny. Mila fandraisana andraikitra vaovao eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny tenany, fa aoka tsy hiverina eo intsony izay namarina ny firenena tanaty lavaka mangitsokitsoka misy azy ankehitriny!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT