Tsivery Harisoa Mao Tse Toung

«Mitady olona tena matahotra an’Andriamanitra i Madagasikara»


  • Zoma 24 Janoary 2025

Miotakotaka ankehitriny izao tontolo izao, hoy ny mpanao politika, mpikambana eo anivon’ny

antoko politika FIVOI na Fampandrosoana ivoaran’ny eny ifotony, Tsivery Harisoa Mao Tse Toung. Efa samy niandry daholo tamin’iny taona 2024 iny hoe hipoaka ny ady lehibe fahatelo, hoy izy, nefa moa ny firenen-dehibe ankehitriny, nisy fiovam-pitondràna ary niteny hoe tsy ho tonga amin’izany isika satria tsy handray anjara izy no dikan’izay. Raha nandray anjara tao anatin’izany izy dia mety nipoaka ihany ny zava-drehetra. Samy tsy misy haniry korontana sy fahantrana ohatrantsika eto Madagasikara koa ny olona saingy mba te hivoatra koa. Mitady olona tena matahotra an’Andriamanitra isika izao hitondra an’i Madagasikara. Samy miteny izany indraindray dia rehefa tonga ny fotoam-pifidianana dia mody miditra am-piangonana, samy manambitamby mpitondra fivavahana ary misy mpitondra fivavahana tena mivaro-tena koa indraindray. Ireny zava-niseho tany Etazonia ireny no midika fa any amin’Andriamanitra no vahaolana ho an’ity firenentsika ity. Taloha tsy misy sahy mikitika hatramin’ny tain’omby mivadika fa amin’izao fotoana izao tsy mipetraka intsony izany fahendrena izany. Mila matahotra an’Andriamanitra isika satria na ny mpitondra na ny vahoaka entina amin’izao fotoana izao dia taratra ihany ilay tsy fahatahorana an’Andriamanitra izay. Miantso ny zanaky ny fiangonana hanolotena amin’ny raharaham-pirenena fa rehefa ny zanaky ny fiangonana, izay mahalala izany fahatahorana an’Andriamanitra izany no tsy handray andraikitra na minia mikipy amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena dia mety ho hafahafa ihany ny zavatra hitranga eto amin’ity firenentsika ity. Voalaza ny hisian’ny fivoriana iraisampirenena eto Madagasikara. Noresahina teto ny fitakiana ireo nosy malagasy. Nosy Maioty aza nandalovan’ny rivodoza teo sarotiny aminy ny frantsay izay tompony. Isika malagasy indray no mifanebaka eto an-toerana eto hoe angaha mipetraka any ianareo na hoe misy lakana andehananareo angaha any? Maninona ny tany kely mitovy amin’ny distrika iray eto amintsika no maha sarotiny ny frantsay dia maninona ny tanintsika no omena maimaimpoana an’i Frantsa? Maninona no tsy miantso ny herivelona rehetra izao ny fitondràm-panjakàna mba hidinika momba ireo nosintsika satria ho avy eto ny filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron? Tonga tao amin’ilay nosy natao ho antsika izy no niteny hoe «Ici c’est la France!». Mampalahelo izany ary toy ny vatobe angerezan’ny vorona isika raha tsy mamaly ny frantsay amin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT