Politique

Tsisy vola ny kaominina Sabôtazy ho an’i Neny ?


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Tsy mbola misy voatendry ara-pomba ofisialy hatramin’izao ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana satria miandry ny fankatoavan’ny fanjakana foibe ny fanendrena azy ireo.

 

 Araka ny fantatra anefa dia efa ho tapa-bolana izao no vita ilay « organigramme » saingy tsy azo hatramin’izao ny fankatoavana. An-kilan’izay foana mangadihady ny kitapom-bolan’ny kaominina, zero ny kaonty !

Ambadika politika ?

Tsy nisy navelan’ireo mpitantana teo aloha intsony, tsy misy ny vola hoenti-miasa, araka ny nambaran’Atoa Patrick Ramiaramanana, lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna. Maro anefa ny asa tsy maintsy atao haingana ary isan’andro tahaka ny fandraofana ny fako, ny fanadiovana ireo tatatra sy lakandrano mba hisorohana ny fiakaran’ny rano be loatra. Efa tena hita ankehitriny fa ho dibo-drano indray ny renivohitra, indrindra ireo faritra iva, raha tsy misy ny hetsika fanadioavana, tsy misy anefa ny vola. Tsy re feo mihitsy moa ny avy ao amin’ny fitondrana foibe fa toa miady irery ny ben’ny tanàna sy ny ekipany ary miantso ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka. Efa nilaza Ramatoa ben’ny tanàna fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny fanjakana ny kaominina, ity farany anefa toa tsy miraika amin’izany hatramin’izao na dia efa tena halohalika aza ny rano. Mitoetra  ihany ny ahiahy ary mipetraka eto ny fanontaniana hoe : sao lahy sanatria ka fanahy iniana nolaniana mihitsy ny vola tao amin’ny kitapom-bolan’ny CUA amin’izay tanam-polo tsy afa-mihetsika ny ben’ny tanàna vaovao ? Ary sao lahy ka misy ambadika politika ny fampitarazohana indray, tahaka ny tamin’ny famindram-pahefana ny fanekena ny rafi-pitantanana vaovao sy ireo mpiara-miasa amin’ny ben’ny tanàna. Mahalasa fisainana ihany koa ny hetsika fanadiovana tanàna ataon’ny minisitera sasany sy ny filazana fa iandraiketan’ny fitondrana foibe ny fanamboarana ny lalana eto an-drenivohitra. Azo antoka atsy ho atsy fa ho avy hanao asa soa koa ny vadin’ny filoham-pirenena milaza fa hanampy ny sahirana sy ireo traboina rehefa miakatra ny rano, dia hiahaka fotsiny eo ny kaominina ka ho avy amin’izay ny vavabe avy eo fa tsy mahavita azy Rtoa Lalao Ravalomanana. Tsy kisendrasendra ihany koa fa efa misy kajy politika lalina ny nanendrena ny PDS teo aloha ny kolonely Joseph Ramiaramanana ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, izay miahy ny kaominina. Ka inona moa izany fa tsy efa endrika hoditr’akondro sy sabôtazy izao atao izao !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT