Ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sisa no hianteheran’ny fanjakana noho ny tsy fisian’ny famatsiam-bola. Hita taratra izany raha ny fisehoana sy fanehoan-kevitra nataon’ny filoham-pirenena nandritra ity herinandro ity.
Voaporofo fa tsy misy apoaka ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana ka mialokaloka ao ambadiky ny 3P. Raha tsiahivina, nisy fitokanana sesilany izay hisehosehoan’ny filoham-pirenena ka ahatongavany eny amin’ny faritra toy ny tao Antsirabe dia ny « Centre Hospitalier Sainte Claire » Andraikiba, izay ny fikambanan-dry Frera Fransiskanina no nitady ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miasa avy any ivelany ka nanangana izany. Ny filohan’ny Repobilka anefa no milaza fa miahy ny lafiny fahasalamana ho an’ny rehetra. Tahaka izany ihany koa fitokanana ny Epp tany Mangarano sy Belazao, Antsirabe II izay ny fiangonana koreanina tatsimo no nanorina azy ary notokanan’ny Minisitry ny fampianarana. Toy izany koa ny tany Analakininina-Toamasina, izay ny Orinasa Galana no nanorina azy kanefa dia tonga tany ny filoham-pirenena. Midika izany fa ny zavatra faran’izay bitika tokony hataon’ny fanjakana dia ny hafa no manao azy. Io no hilazana fa fanjakana marefo ity fitondrana ity. Etsy an-danin’izay, matahotra ny tsy hisy mpanotrona ny fanjakana ka isak’izay mandeha ny filoham-panjakana hatramin’ny tetezamita dia tsy mianatra ny mpianatry ny sekolim-panjakana fa asaina mikopakopaka ny mpitondra eny amoron-dalana. Ny mpianatry ny lisea André Resampa moa dia tsy maintsy manotrona, tahaka ny nitranga farany teo nandritra ny fitsidihan’ny filoham-pirenena tao Antsirabe. Resabe tamin’ny haino aman-jery tao an-toerana ny nanaovana ireo mpianatry ny Epp sy ny CEG ary ny Lisea ny alarobia lasa teo. Mahalasa saina !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.