Politique

Tsiry Andriamihantasoa “Mila sahy mandray andraikitra isika!”


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Izaho sahy, isika sahy. Mila mandray andraikitra isika. Ireo fehezanteny ireo, hoy ny mpanao politika,

 

Tsiry Andriamihantasoa, no hitako manan-danja indrindra ahafahana mandeha haingana eo amin’ny fampandrosoana eto Madagasikara ary noraisiko ho filamatra ihany koa nandritry ny kaongresin’ny antoko Tiako I Madagasikara izay natrehiko tetsy amin’ny Magro Tanjombato ny 12 sy 13 jolay teo. Mila sahy mandray andraikitra isika raha tiana ny handroso. Raisiko ohatra, hoy hatrany izy, ny fahombiazan’ny Barean’ I Madagasikara farany teo. Nisy herim-po niainga tamina olona vitsivitsy tao ary niitatra ka lasa nipaka tamin’ny vahoaka Malagasy manontolo mihitsy avy eo ny hetaheta te hanohana ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra ary nahazoantsika an’iny vokatra nahafa-po iny. Hetaheta sy fahasahiana handray andraikitra toy izany no tadiavina amintsika ahafahana mampandroso miaraka an’ i Madagasikara, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT