Politique

Tsiry Andriamihantasoa Manahy kilalao maloto amin’ny fifidianana ben’ny tanàna


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Raha ny zavatra hita hatramin’izay, hoy ny mpanao politika, Tsiry Andriamihantasoa, filohan’ny fikambanana Tanora mandray andraikitra na TMA, dia nisy kilalao maloto foana tao anaty fifidianana.

 

 

 

 Misy kara-panodron’olona roa samihafa ahafahany mifidy amin’ny toerana roa samihafa, ohatra. Raha mbola iny lisi-pifidianana iny no hitondrana ny fifidianana ben’ny tanàna dia ho tafiditra ao anaty kilalao maloto foana ny fifidianana eto. Misy zava-mandringa ao anatin’izay ary ny CENI sy HCC dia antsoina mba hijery ny lalàna mifehy ny fifidianana ben’ny tanàna. Avereno jerena koa ary ahitsio ny lisitra, hoy izy. Mpitarika fikambanana politika ny tena, hoy ity mpanao politika izay sady filoha vaovaon’ny Tanora manohana an’i Marc Ravalomanana eto Analamanga ity. Ny dikan’izany dia eritreritra ihany koa ny hitondra anjara biriky eo amin’izay lafiny fifidianana ben’ny tanàna ho avy izay saingy aleo anefa tsy miditra rehefa tsy mazava ny fitsipi-dalao, hoy ny fanazavany. Mandeha moa ny feo amin’izao fotoana izao fa tsara toerana ho kandidan’ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin’ny kaominin’i Bongatsara, izay efa nilatsahany teo aloha ihany ity mpanao politika ity ary isan’ny mampametra-panontaniana ity fanendrena azy ho filohan’ny TMMR Analamanga ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT