Politique

Tsiry Andriamihantasoa Hampanarahana ny dian-dry Stanley sy Malama?


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Nahazo fampanantsoana avy amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka na ny “Service de la lutte

contre la cybercriminalité” etsy amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary i Tsiry Andriamihantasoa anio alarobia 28 desambra amin’ny 9 ora maraina, raha ny taratasy voarainy. Famotorana mikasika raharaha Facebook no voalaza fa hiantsoana azy, ary nomarihina fa manana zo hitondra mpiaro izy. Tsara ny mampahatsiahy, fa tanora mpanao politika, efa kandida ho ben’ny tanàna teny Bongatsara Antananarivo Atsimondrano I Tsiry Andriamihantasoa. Toy izao ny nambarany tao amin’ny kaonty Facebook-ny eo anatrehan’ny fiantsoana azy: "Talohan'i Krismasy dia nahazo loharanom -baovao marim-pototra aho fa misy zandary mitady ny toerana misy ahy. Noho izany dia efa nivonona aho, androany maraina no tonga marina tokoa ireo zandary ireo nanatitra taratasy fiantsoana… Tsy fantatro izay tena antony fa zavatra iray loha ihany no fantatro dia izao '' efa ela aho no nitadiavana hevitra ny hamotehana ahy sy hanagadrana ahy satria izaho dia miaro ny hisian'ny tombon-tsombahoaka eto amin'ity kaominina misy antsika ity”. Nambarany fa efa nanatonana mivantana izy mba hangina. “Nangina tokoa, efa mipetraka aho anefa ary niresaka tsy nitsikera intsony,dia mbola ezahana hamoronana dosie ihany,… koa eto aho dia miantso anareo vahoakan'i Bongatsara rehetra izay resy lahatra tamin'ny fijoroako mba hitrotro am-bavaka sy hijoro ho an'ity tanan-tsika ity hatrany. Mijoroa katsaho mandrakariva izay hahasoa an'ity tanindrazantsika ity fa izaho raha mbola mijoro koa ny tongotro roa ho eo anilanareo hatrany aho", hoy I Tsiry Andriamihatasoa. Tombanana ho misy ifandraisany amin’ny politika ity fampanantsoana ity ka andrasana ny akony. Tsy misy resaka “trêve” fa mitohy ny asa ho an’ny Sampana Cybercriminalité ka andrasana izay tena antony? Ho afa-bela sa hanara-dia an-dry Stanley Ramarivelo sy Mahery Lanto Manandafy I Tsiry Andriamihantasoa ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT