TSIROANOMANDIDY

Tantsaha mpamokatra 269 nahazo fanampiana


  • Zoma 31 Mey 2024

Tena velon-taraina fatratra ny ankamaroan’ireo tantsaha eto amintsika amin’izao noho

halafosan’ny vidin’ny zezika sy ny masomboly. Tsy mahaleo ny sarany intsony ny vidiny hany ka tena miraviravy tanana izy ireo arahin’ny tsy fisian’ny tsy fandriampahalemana. Nahatsapa izany ny Fonds de Développement Agricole sy ny tetikasa PURPA ka nanohana ireo tantsaha miisa 269 any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Mitontaly 2. 421 kilao ny masomboly natolotra azy ireo omaly Alakamisy ka ny 20. 175 kilao no zezika ôrganika taroka ary 4. 035 kilao ny zezika NPK. Miisa 164 ireo vehivavy nisitraka izany. Ny BAD na ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana no namatsy vola azy ireo. Hisy moa ny fanaraha-maso hataon’ny tompon’andraikitra amin’ny fampiasana marina ireo fanampiana ireo.
Pati
Legende : Ireo tantsaha nisitraka ny fanampiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT