Ny fampiasan-kery sy famonoana vahoaka sisa
no heverin’i Andry Rajoelina fa vahaolana entina miaro seza sy fahefana. Izay sisa no ianteherany, fa ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy efa tapa-kevitra fa « Miala Rajoelina », mila fanovana, mila fiovana,… Vao mainka mampiakatra ny hafanam-pon’ny Malagasy mitaky fanovana ny fandratrana sy famonoana ireo tanora. Mijoro mandray anjara mivantana na ankolaka amin’ny tolona ny herivelona maro ka tafiditra amin’izany ireo sehatra stratejika toy ny ladoany, fonja, ny fitsaboana, ny mpahay lalàna, ny mpisolovava, ny mpianatra,… Mandeha ny « contre-manifestation » sarintsariny ilazana fa mbola manana vahoaka, saingy miharihary fa serasera sisa, tsy to teny intsony, tsy inoan’ny olona intsony,... Ny Coliseum no re fa saika hamoriana vahoaka ny sabotsy teo saingy niova satria vitsy, tsy sahy nanao akanjo volomboasary intsony ny olona. Tao ireo sahy nilaza fa alainy aloha ny 5000Ar fa izy dia momba ny tolom-bahoaka,… Ny mpidaroka lakrimozenina karamaina 300 000 hatramin’ny 500 000Ar isan’andro? Ny mpianatra darohana vatsim-pianarana 22 000Ar isam-bolana, ny bahoaka madinika jonoina 5000Ar,… Miroso amin’ny politika fampifandrafiana vahoaka na dia voalazan’ny lalàmpanorenana araka ny andininy faha-45 aza fa miantoka ny Firaisam-pirenena ny Filoham-pirenena. Ireo olona karamain’ny fitondrana afaka maneho hevitra an-dalambe malalaka, fa ny vahoaka darohana lakrimozenina. Mangina ny Prefen’Antananarivo mpanome alalana, izay nokian’ny tanora mpanao fihetsiketsehana ny sabotsy teo hoe : Prefen’ny vahoaka ianao sa Prefen’ny TGV ?
TSY VOAFEHY INTSONY NY TOE-DRAHARAHA
Tsy voafehin’i Andry Rajoelina intsony ny toe-draharaha, ka ny ekipany aza betsaka no efa tonga saina. Porofo mivaingana ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly Lylison izay izay nilaza fa tsy nifanarahana ny ampihimamba ara-toekarena, tsy nifanarahana ny fananganana milisy,… Maromaro ireo manamboninahitra am-perin’asa sy efa misotro ronono no manameloka ny famoretana sy ny fitantanana tsy mahomby. Mbola resaka hafa ny ahiahy amin’ny mety fisiana vahiny na mersenera na « gros bras » ahiana ho ampiasaina hamono vahoaka,… Olona tena niaraka tamin’izao fitondrana izao ny depiote teo aloha Paul Bert Rahasimanana, fa sahy mijoro sy miteny eo anatrehan’ireo zava-doza miseho toy ny resaka fampiasana milisy ka nanaitra ny tafika,… Ara-politika, mbola mampiharihary ny krizy sy toe-draharaha tsy voafehin’i Andry Rajoelina intsony ny tsy fahavitany nanendry Praiminisitra taorian’ny fandravana ny governemanta ny 29 oktobra lasa teo, izay nilazana fa hivoaka afaka 3 andro ny Praiminisitra vaovao. Efa dila 4 andro miaraka amin’ny androany izany.
MITENY NY RAIAMANDRENY AM-PANAHY SY MPAHAY LALANA
Mijoro sy miteny ny mpitondra fivavahana, dokotera, mpampianatra,… manoloana ny vonomoka izay hatrany anaty toeram-pitsaboana sy hopitaly no ampihevohana lakrimozenina. Olobe manana ny maha izy azy ny Mgr Andrianifahanana Mamiarisoa Modeste Eveka mpanampy anatin’ny diosezin’Antananarivo ireny izay sahy niteny fa «Mafy ny mahazo ny vahoaka ! Tsy tokony hovonoina ny tanora ! Ny atao azy ireo no mampitroatra azy ». Olobe sy to teny teo amin’ny tontolon’ny fitsarana ary toavin’ny maro hatramin’izao ny Minisitra teo aloha Noro Harimisa Razafindrakoto, izay sahy niteny sy niantso fa hanatsarahana ny herisetra. « Ny toraka lakrimozenina sy ny fampiasana basy ary ny fisamborana olona miaro herisetra tafahoatra sy habibiana, no mahatonga ny mpanao fihetsiketsehana hiaro tena amin'ny alalan'ny tora-bato sy ny sisa. ", hoy izy.» Nanamafy ny fisiana mizana tsindrian’ila miharhiary izay tsy hitondra filaminana fa vao mainka hampiady sy hampifandrafy ny mpiray tanindrazana. Hatramin’ny mpahay lalàna Misa Razafindrakoto izay vinantolahin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard no mitondra hafatra mivantana amin’i Andry Rajoelina hoe: «olombelona nofo sy ra ireo olompirenena maro be mitaky zo sy fahalalahana fototra izay arovan’ny lalompanorenana, fa tsy robot. Aza manao tsinontsinona ain’olombelona ianao ! Nampahatsiahy ny sata iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona sy ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zo politika sy zo sivily. « Tsy manome fahefana anao hanome baiko ny mpitandro filaminana hitifitra sy mamono vahoaka ireo Atoa Andry Rajoelina », hoy izy. Hatraiza ny fetran’ny famonoana vahoaka sy fanajan-tena fa tofoka ny vahoaka maro an’isa ka mila miala?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.