Politique

Tsindry politika, fanjakazakana, afera maloto Afaka manao izay tiany ve izany ny depiote ?


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Sesilany tato ho ato ny fitarainana momba ny tsindry ataon’ireo olom-boafidy ka isan’ny voatonona matetika ny depiote, indrindra fa ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana. Vao tsy ela ny Sendikan’ny Adminisitera sivily na ny SYNAD no nanao fanambarana hentitra naneho hoe:

atsaharo ny tsindry politika amin’ny endriny samihafa, ka isan’ny voatonona tamin’izany ny depiote sy senatera izay voalaza fa misy amin’ireo no mandidy sy manapaka amin’ny resaka fampidirana sy fanendrena mpiasam-panjakana. Tany aloha, efa nisy ny fiporitsahan’ny resaka fa ny depiote no manana “quota” amin’ny fampidirana mpampianatra ho mpiasam-panjakana. Vao ny faran’ny herinandro lasa teo tany Port-Berger, depiote no voatonontonona ho nandrahona ny mpitsara hanatsahatra ny didy fampisamborana olona nahoana ho tompon’antoka tamin’ny vono olona, hany ka navotsotry ny zandary. Ny ampamoakan’i Mahery Lanto Manandafy nanononany anarana vazaha iray sy polisy miasa any amin’ny fiadidian’ny Repoblika ho tompon’antoka amin’ny famatsiana bala ny dahalo, dia misy depiote ihany koa noresahany tao anatin’ny raharaha. Io indray ny raharaha Betroka sy Bekily, izay ny depiote Nicolas Randrianasolo mihitsy no nilaza ampahibemaso fa ny Depioten’I Bekily Atoa Jean Daniel no nampaniraka nandefa miaramila 22 lahy avy ao amin’ny kaompania 518 ao Bekily naka an-keriny omby 107 sy osy 210 tao Misinjo ao amin’ny kaominina Ambatomivary ao amin’ny distrikan’i Betroka tsy nandalo tamin’ny manam-pahefana tao an-toerana akory ny 09 septambra teo, omby 97 amin’ireo 107 sy osy 24 amin’ireo 210 sisa no tonga tany Bekily. Ahiana hiteraka adim-poko ny raharaha fakana omby tao Betroka, hoy io depiote io. Solombavambahoaka mifandritaka fa solombavambahoaka maniraka miaramila haka omby an-keriny, raha toa ka nilaza kosa Minisitry ny fiarovam-pirenena fa tsy manana ny mpibaiko azy ny miaramila. Na izany na tsy izany, tsikaritra tato ho ato ny fahenoana anarana depiote amin’ny resaka tsindry politika sy fanjakazana fa eo ihany koa ny afera maloto samihafa. Misy ohatra depiote voatonona amin’ny trafikana volamena, ary efa niparitaka tamin’ny haino aman-jery, saingy vitavita ho azy ny resaka. Tsy vao sambany fa efa nisy tany aloha ny hoe: depiote nahatrarana vola tsy mazava roa baoritra,… Tena hahafahana manjakazaka sy manao afera ve no nihazakazahana naka fahefana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT