Politique

Tsindry bokotra tamin’ny Antenimiera Efa taratry ny hanjo ny CENI sy HCC amin’ny 2023


  • Talata 20 Desambra 2022

Mijanona ho dosie mbola an-dàlana na “en instance” eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena (HCC) aloha hatreto ny raharaha fakan’ny Filankevitra ambony momba Fiarovana ny Demokrasia sy Fanjakana

tan-dalàna HCDDED eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Manontany ny hevitry ny HCC teo anatrehan’ny fitsabahan’ny Filoham-pirenena tamin’ny raharaha fitsipaham-pitokisan’ny Antenimieram-pirenena ny governemanta, ary nanontany ihany koa ny lanjan’ny taratasy nataon’ny Birao maharitra sasany eo anivon’io Andrim-panjakana io, izay namoaka fa tsy nanaraka ny lalàna sy ny fenitra, ka heverina ho toy ny tsy manan-kery ilay fitsipaham-pitokisana. Raha ny lalàmpanorenena, ny andininy faha-103 no mamaritra fa anjaran’ny antenimierampirenena ny manara-maso ny mpanatanteraka, ary azony atao ny manao fitsipaham-pitokisana rehefa eken’ny antsasa-manila ny fangatahana, ary tsy maintsy lanian’ny 2/3n’ny mpikambana. Ny andininy faha-201 sy 202 amin’ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena no milaza fa tsy azo sintonina na anampiana na analana intsony rehefa tafapetraka ny sonia sy ny fangatahana. Voararan’ny lalàna ihany koa anefa ny fihaonana mivantana eo amin’ny depiote sy ny filoha fa an-taratasy no tokony ho izy, kanefa ny Filoham-pirenena no voalaza fa nampiantso ireo depiote tetsy amin’ny Arena Ivandry ny takarivan’ny 7 desambra, ary teo no voalaza fa nisian’ny tsindry sy baiko hoe: tsoahy io, mihemora raha tianareo aho. Inona no hambaran’ny HCC teo anatrehan’ny zava-misy? TARATRY NY 2023 Nanaovana baiko sy tsindry ny Antenimierampirenena izay IRD no maro an’isa, ka natsefotra teny an-dàlana. Andrim-panjakana goavana be misy mpikambana 151 aza ireny ny zava-nitranga. Nisy karazana ampamoaka avy amin’ireo heverina ho mpifanandrina tao anatin’izany, ka ny avy amin’ny governemanta nilaza fa 5 tapitrisa Ar in-telo niantoana no tambiny tamin’ny fitsipaham-pitokisana. Tary amin’ny ankilany ihany koa nisy nanao ampamoaka, fa 10 tapitrisa Ar ny tambin’ny fanatsoahana sonia na tsy fandraisana anjara,… Hampitombo hatrany ny ahiahy amin’ny ho avy izany. Rafitra misy olona 151 aza nilamina ny tsindry na koa ny totohondry vola, lojika ary azo heverina mazava ho azy fa tsy sarotra ny hanao tahaka izany amin’ny HCC, ny Vaomiera misahana ny fifidianana na CENI,… amin’ny raharaham-pifidianana. Mitovitovy amin’ny endrika sy firafitry ny antenimieram-pirenena rahateo ireo, izay toa olona nanana rohy ara-politika nivantana na ankolaka tamin’ny Filoham-pirenena no manana ny maro an’isa amin’ny mpikambana, na ekena aza fa nanaraka ny lalàna ny nahatongavan’izy ireo teo. Mampitombo ny ahiahy ireny sary tamin’ny fitsipaham-pitokisana ireny, ary raha ny tantara tany aloha, dia efa nisy teto izany karazana tsindry toy ny fampanaovana sonia taratasy avy any ivelany ny mpikambana tao amin’ny HCC tamin’ny raharaha 2009, nisy mihitsy aza mpikambana tsy nety nanao sonia saingy ny zanany no voalaza fa natao takalon’aina ka voatery tsy fidiny. Efa nodimandry moa io mpitsara ambony niharan’izany io. Ahiana hiverina ny sary tahaka izany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT