Politique

Tsimbazaza Nifanasa vangy ny minisitry ny Atitany sy ireo depiote


  • Alarobia 18 Novambra 2015

Nivadika ho fifanasana vangy teo amin’ny minisitry ny Atitany Solonandrasana Olivier sy ireo depiote tonga nanatrika fivoriana ny adihevitra sy fanazavana ny tolo-dalàna mikasika ny lalàna fehizoro natolotry ny depiote Jao Jean avy any Antsohihy.

 

 Tolo-dalàna izay mamaritra indrindra ny tokony hahazoan’ny Distrika isanisany eto Madagasikasa vola 400 miliara Ar ary eo ambany fitantanan’ireo solombavambahoaka ny fandaniana azy. Nambaran’ireo depiote nandray fitenenana fa izy ireo no tena mahalala ny mahasahirana ny vahoaka any amin’ny faritra misy azy ary angatahan’ny olona foana fanampiana amin’ny fananganana ireo foto-drafitrasa samihafa ka hanampy ny fitondram-panjakana ho marin-toerana ny fandaniana ity tolo-dalàna ity. Ny minisitra kosa tetsy an-kilany dia nanamarika fa masa-bary maito kitoza ny minisitera sy ny solombavambahoaka raha ny amin’ny votoatin’ity tolo-dalàna ity no asian-teny fa tena firosoana amin’ny fitsinjaram-pahefana katsahina marina saingy eo amin’ny endriny no mety tsy hoeken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa tokony hasiana fanitsiana betsaka. Lanin’ireo solombavambahoaka tamin’ny tsangan-tanana anefa ity tolo-dalàna ity na dia teo aza izay fifanjinjana ara-kevitra izay. Ho hita eo indray izay hataon’ny HCC, hoy ireo solombavambahoaka, fa izay tolo-dalàna natolotry ry zareo hatreto tsy mbola nisy tafita fa nitsefotra hatrany.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT