Politique

Tsiambaratelo mivoaka etsy sy eroa Efa tsy voafehy intsony ilay fanjakana …


  • Zoma 24 Febroary 2023

Sesilany indray tato ho ato ny tsiambaratelom-panjakana na tsiambaratelon’ny olom-panjakana mivoaka sy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera.

Tsy tongatonga ho azy, ary rehefa zohiana, matetika misy dosie mirefotra rehefa akaiky fanovana governemanta na aoriana kely, endrika toa maneho fa tafiditry ny ady an-trano ny Fitondrana. Raha miverina kely, ny tany aloha dia isan’ny lasibatr’izany ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Brice Randrianasolo ny aogositra 2021, izay nahilika tamin’ny alalan’ny famoahana ampamoaka ka 3 andro monja dia niala, kanefa ny zavatra nanenjehana azy aza tsy nisy tohiny. Minisitra maro tratry ny ampamoaka sy fanalam-baraka, ary avy tao anaty Fanjakana ihany no ahiana sy voatonontonona ho tompon’antoka. Ny janoary-febroary 2022, nirefotra ny dosie namelezana ny Minisitra ny fitsarana teo aloha Imbiki Herilaza tamin’ny alalan’ny horonam-peon’I Raissah Razaivola. Nalaza tamin’izany ny hoe: fisiana kolikoly avo lenta an-jatony tapitrisa mikasika tany sy resaka fifanarahana momba ny fanafahana teratany vahiny tratra nanondrana vato sarobidy no nalaza tamin’izany fa nahasaringotra azy. Rehefa zohiana, tafiditra tao anatin’ny politika avo lenta satria nalaza ihany koa tamin’izany fa tsara toerana ho Praiminisitra, ary isan’ny olona tena natokisan’I Andry Rajoelina. Iray volana nahery roa na telo andro, dia nisy ny fanovana mpikamban’ny governemanta ny 16 martsa 2022. Vao herinandro mahery nialohan’ny fanovana mpikamban’ny governemanta farany teo indray, niparitaka ny horonam-peon’i Raissah hatrany kanefa olona voalaza fa any am-ponja, miresaka kolikoly sy adivarotra momba ny fanafahana azy, misy resaka “5milliards fmg” niadiana varotra ho “1 milliard fmg”, nisy tompon’andraikitra ambony vitsivitsy ao amin’ny Fitsarana notonony, nisy minisitra maromaro lazainy fa tafiditra ao anatin’ny afera, ary voaresaka tao anatin’ny horonam-peo hatramin’ny Praiminisitra ankehitriny. Heverina fa tsy tongatonga ho azy ireny, fa mamofona politika avo lenta, misy olona tiana hasiana, ary tsy ho olona avy aty ivelan’ny Fitondrana no ao ambadika fa ny samy ao anatiny no mifamely. Misy amin’ireny resaka sy dosie ireny no toa tsiambaratelom-panjakana na tsiambaratelom-pitondrana, saingy vaky am-batolampy, ny avy ao anatiny no mamoaka azy, tsy voalamina ao anatiny intsony, ary misy ny olona toa hetsehina hanapoaka sy handrefotra dosie hatrany. Mbola porofo iray ihany koa iny fipariahan’ny feon’ny Jeneraly Lylison de René naneho ny alahelony tamin’ny tsy nanendrena azy ho Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena iny, ary dia niparitaka ihany koa ny valin-kafatra avy amin’ny Jeneraly Ravalomanana, na samy olon’ny fitondrana izao aza. Endrika maneho sy manaporofo ny tsy fahafehezana intsony ny tsiambaratelo politika na koa tsiambaratelom-panjakana mihitsy ireny, ary heverina fa làlana mizotra makany amin’ny faharavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT