Mandalo eto Iarivo ireo Ben’ny tanŕna nesorina amin’ny toerany resy tamin’ny ady nataon’izy ireo tamin’ireo mpitory azy tany amin’ny Filankevi-panjakana.
Hanaitra ny sain’ny mpitondra no anton-diany fa afa-baraka tamin’ny fametrahana azy ireo ofisialy, toy izany koa ny filohan’ny Repoblika voatsinin’ny sefo distrika sy ny prefe fa nametraka azy ireo tamin’ny toerany.
Etono Marcellin Benoît (Tsy miankina Ndao Hivoatse Tsaraitso)
“Namoaka didim-pitsarana noho ny fitoriana nataon’ny mpifanandrina Andrimampianina Alfred (tsy miankin firaisankina) nilaza fa tsy ara-dalàna ny fifidianana natao tao amin’ny birao fandatsaham-bato roa dia tao Taperadia sy tao Ambondro II, ny Filankevi-panjakana, fa hoe nisy poa-basy nataon’ny olona iray nolazaina fa dahalo. Nitory azy ity olona ity ary nijoro vavolombelona ireo Fokontany 5 ao amin’ny Kaominin’i Tsaraitso fa tsy nisy poa-basy izany tany Ambondro II ary efa voalaza tanaty PV fa nilamina tsara avokoa ny fifidianana tany an-toerana. Voafitaky ny tatitra diso ny Filankevi-panjakana fa ny didy navoakan’ny rafi-pitsarana rehetra taty ambany dia lasa nodisoan-dry zareo irery. Ny marina dia tiana hihena ny mpanolotsaina miaraka amiko hahazoana manindry ireo fikambanana sy antoko hafa. Fitsarana tsy natrehanay no namoahana didy ka efa nanao fanakanana ny hampiharana izany izahay. Efa niangavy ny Justice et Paix hanara-maso izahay.
Kamosa Denis (MAPAR Bekororo)
«Voalazan’ny mpitory ahy fa hoe tsy nilamina ny fifidianana tamin’ny 31 jolay 2015 fa hoe nisy lehiben’ny birao fandatsaham-bato tao Mahilivoro nanao akanjo Mapar nandritra ny fandatsaham-bato ary nisy fangalaran-tsonian’olona 20 nentina nanamarina izany. Nitory ireo olona ireo fa tsy sonian’izy ireo no tao amin’ilay taratasy. Nisy koa ny hoe fanambanana basy tao amin’ny birao-pifidianana nofoanana fa misy fanerena mpifidy hifidy MAPAR. Ny 9 desambra 2015 no namoaka didy ny Filankevi-panjakana tamin’ny raharaham-pitsarana tsy natrehanay notoriana ka notsivalananay taminy 18 desambra 2015 ka tokony tsy hisy hiova mandra-pivoakan’ny valiny.
Hijoroako vavolombelona, hoy Atoa Razafimalala Freni lefitry ny Sefo Fokontany, fa namory ireo kandidàn’ny Firaisankine sy Hvm, tsy lany niaraka taminy, ny kandidà GJMP izay nitantana ny Kaominina teo aloha ka nilaza fa ny kandidà Firaisankina no hampakarina ho mera amin’ny alalan’ny fanafoanana vokatra tamin’ny Fokontany roa nahazoan’i Kamosa Denis vato betsaka.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.