Tsarahame Edouard

“Aza atao valifaty politika toy ireny foana no eto!”


  • Talata 06 Febroary 2024

Fifanarahana ara-kasa fa tsy fifanarahana politika no natao mikasika ny raharaha Plaza,

hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM, Tsarahame Edouard. Ho tombontsoan’ny zanaka malagasy izany, hoy izy, nefa ny analana azy ao dia resaka politika. Antsojay politika no natao. Mpandraharaha malagasy io fa tsy vahiny. Fa maninona ny mpandraharaha vahiny tsy azo hanaovana izany eto? Ny karàna rehetra ireo mihoatra lavitra ny fangoronana tany sy fambotriana ity firenena ity fa tsy misy fanjakana mampihatra lalàna izany eto. Rehefa malagasy, maninona no atao toy izany? Tsy afaka mifampijery ve ny malagasy samy malagasy sa ve efa misora-tena ho vazaha ianareo ka tsy miheritreritra ny gasy hampandroso ity tanindrazana sy firenena ity? Tsy mahasoa ny tanindrazantsika ireny. Aza atao valifaty politika toy ireny foana ny eto fa raha misy tsy itovian-kevitra, azo atao ny mifanatona, mifampiraharaha, manova ny fifanarahana raha ohatra ka izay no olana. Maha menatra ny firenentsika raha mpandraharaha miheritreritra hitondra ny anjara birikiny eto amin’ity firenena ity no anaovana zavatra toy ireny. Valifaty ary politika tanteraka ny didy navoaka mikasika an’io toerana io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT