Tontosa ny zoma 26 aprily 2024 ny fotoam-pivavahana fitsofan-drano ny kandida solombavambahoaka,
Razanamahasoa Christine sy Rasamimanana Andriantiana na Mr Dadah mpiray lisitra aminy, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Kandida mahaleotena moa izy ireo ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana. Ireo mpitondra fivavahanana sy ireo raiamandreny ary ny solontenan'ny vahoaka no nitsodrano azy. Zava-poana ny zava-drehetra raha tsy ankinina amin’Andriamanitra ary ny tsodrano dia tokana ihany, izay avy amin'Andriamanitra, ka "ny ampitso no hilaza azy", hoy ny mpanotrona, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Azo lazaina ho tsara tsodrano nahavita fanehoan-kery goavana ihany koa teto ny filohan’ny antenimieram-pirenena teo aloha ary heverina fa mbola tantara mitohy tokoa ireo efa nambarany fa mbola ho tohizana tahaka ny fiadiana amin’ny tsy fahamarinana sy ny asa fanelanelanana manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny izay niainga tamin’ilay hoe fanelanelanana PAN/FFKM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.