Troďka-SADC

> Mbola firenena voasazy i Madagasikara


  • Zoma 10 Janoary 2014

Nivory tao Windhoek, renivohitr’i Namibia ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Troďka-SADC ny 29 desambra 2013 teo.

Nodinihana nandritra io fihaonana io ny raharaha Madagasikara ka nijerena ny fivoaran’ny zava-misy, indrindra taorian’ny nanatontosana ireo fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ny 20 desambra tamin’iny taona lasa iny. Nisongadina ary fa dia mbola mitana ny sazy nampiharina amin’ny firenena malagasy ity vondrom-paritra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika ity. Fepetra napetraky ny Troïka-SADC tamin’izany ny fahatanterahan’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara vaovao eo amin’ny toerany am-pilaminana. Mifanindran-dalana amin’io dia tsy maintsy tafapetraka ara-dalàna ihany koa ny governemanta vaovao sy ny fijoroan’ny Antenimieram-pirenena vaovao. Fa masoivoho maharitry ny SADC vaovao eto Madagasikara voatendry tamin’ny fivoriana faran’ny Troïka io i Tuliameni Kalomoh. Iraka manokana iandraiketany mandritra ny fotoana ijanonany eto amintsika ny fanarahana ireo dingana fiverenan’ny firenena malagasy ao amin’ny vondron’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC, izay efa nanambara fa vonona hanohy ny fiaraha-miasa efa nisy. Mbola adidy goavana miandry izay fitondrana vaovao mitsangana eo rahateo ny fandoavana ireo latsakemboka miampy ireo trosantsika Malagasy tsy voaloa nandritra izay 5 taona nisian’ny tetezamita lavareny izay.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT