Transparency international

Hanohy ny tolona ho an’ny demokrasia


  • Talata 16 Septambra 2025

Nomarihana omaly 15 septambra 2025 ny andro iraisampirenena

ho an’ny demokrasia. Nisy, noho izany, ny hetsika am-pilaminana nataon’ny Transparency International – Initiative Madagascar n a TI-MG teto Antananarivo sy nanenika ireo tambazotran-tserasera. Nisalotra ankanjo mainty izy ireo ho fanamarihana fa misaona ny demokrasia eto Madagasikara, raha ny fanazavàna voaray. Notsiahivin’ny TI-MG fa mampanahy ny faharefoan’izay demokrasia izay eto amin’ity firenena ity. Mihena sy sehatra ahafahana miteny. Voarara ny fanaovana hetsika na dia am-pilaminana aza. Matetika ny antsojay sy fisamborana tsy ara-drariny. Manjaka ny kolikoly sy ny fanitsakitsahana ny zo maha olona. Atao safobe mantsina ka lazaina ho fanehoan-kevitrana mpikaraman’ady politika ny feon’ny olompirenena tsy mahafaly ny andrim-panjakàna misy. Manoloana izany loza mitatao rehetra izany dia mampahatsiahy ny maha hery arofanina azy ny fiarahamonim-pirenena; mitondra ny feon’ny malagasy, manara-maso ny fiainam-pirenena ary miady ho an’ny zo fototra amin’ny fahalalahana maneho hevitra. Takiana ny famelàna malalaka ireo sehatra hanehoana hevitra! Takiana ny lalàna miaro ireo mpampaneno lakolosy sy mpiaro ny zon’olombelona! Ho an’ny tena demokrasia marina, ny fisian’izany rehetra izany dia tsy tokony ho lafo vidy fa mandeha ho azy. Tsy tokony ho faty mangina ny demokrasia. Mitohy ny tolona! Vao fanombohany izao, hoy hatrany ny TI-MG naneho ny fahavononany hanohy ny tolona ho an’ny demokrasia tamin’iny omaly iny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT