Transparency International

«Atsaharo ny fanomezana tombondahiny kandida »


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Tsy misy ambonin’ny lalàna ary voararan’ny lalàna ny fanomezana tombodahiny,

ary tafiditra anatin’ny fanaovana kolikoly, hoy ny teo anivon’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-MG. « Ny lalàna dia lalàna, kanefa raha mijery ny dingana ara-pifidianana dia be dia be ny tsy manara-dalàna. Hitam-poko hitam-pirenena ary iarahantsika mahita, fa efa nahita ve ianareo hoe : nahazo sazy iny olona iny natao ho an’iza ny lalàna ? », hoy ny Sekretera mpanatanteraky ny TI-MG Rtoa Mialy Radriamampianina omaly, hita tamin’ny haino aman-jery. Nahitsy noho izany ity farany fa raha fifidianana tena fifidianana dia mitovy ny olona rehetra, fa raha toa misy iray ambony kokoa ny fahafahany manao zavatra, toy ny fahalalahana fidirana amin’ny haino aman-jery na ny resaka hetra, dia efa tsy fifidianana fa efa fanomezana tombony manokana. Tena kolikoly sy tsy fanarahan-dalàna ary fanaovana tsinontsoninona ny zon’ny olom-pirenena hifidy, hoy izy nanamafy. Nilaza noho izany io mpitarika ny TI-MG io, fa raha diso ao anatin’ny fifidianana dia diso ao anatin’ny fotoam-piasana iray manontolo satria tsy azo antoka, ka asiana kandida atao ambony noho ny hafa dia tsy tokony hasiana fifidianana intsony, ary tsy demokrasia izany, tsy repoblika,… Nanamafy noho izany ny TI-MG fa betsaka ny zavatra mbola tokony hatao mikasika ny fifidianana toy ny fanaraha-maso ny fandaniam-bola, ny fampianarana ny olona hahay hifidy,… Nanipika ny resaka fandaniana amin’ny fifidianana satria tsy misy fangaraharahana ny loharanom-bolan’ny kandida sy ny antoko ary tsy misy valiny hatramin’izao ka hitakian’izy ireo ny mangarahara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT