Nankalazaina tamin´ny fahitalavi-panjakana, araka ny iraka nataon´ny ekipan´ny ministeran´ny fanajariana ny tany tao Toamasina, fa efa mandeha sy efa manomboka ny fanamboarana sy fanarenana ny tranon´ny amiraly Didier Ratsiraka ao Vohimbendrana Ambodiatafana.
Tsy mbola misy anefa io fanamboarana io hatramin´izao. Na mpiasa iray aza tsy hita tao Ambodiatafana, fa haolo ny tanàna, raha nisy ny fandalovana tao Ambodiatafana omaly alakamisy tokony ho tamin´ny 11ora, raha tonga nizaha ifotony ny fandehan´ny «asa» ny lehiben´ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain. Ity farany rahateo no natao hanara-maso io asa io. Ny orinasa Tsaravitana no nahazo ny asa fanamboarana taorian’ny tolo-bidy laharana: 167/2011/MSDT/PRMP natao. Raha nanontaniana ny antony tsy mbola nanombohan’ny asa ny tomponandraikitra tao, dia nilaza mazava fa “tsy mbola navoakan´ny ministeran´ny fanajariana ny tany ny vola tokony hanaovana ny asa.
Ny antontan-taratasy ahafahana manomboka ny asa sy ivoahan´ny vola aza mbola tsy vita sonia hatramin´izao, na efa iray volana aza no tokony hanomboka ny fanamboarana”. Raha ny hita tao Ambodiatafana dia tsy mitombina ny filazana fa “efa mandeha ny asa rehetra any an-toerana amin´ny fanamboarana ny tranon´Atoa Ratsiraka ary ho vita ao anatin´ny telo volana, izany hoe ny volana desambra ho avy izao”. Atoa Mahavimbina Alain, izay nahita maso fa tsy misy asa mandeha ao Ambodiatafana, dia nanazava fa “miandry io vola io dia hanomboka ny fanamboarana sy fanarenana, ary heverina fa ho tratra ihany ny volana desambra fe-potoana nomena hahavitan´ny trano”. Raha ny zava-misy ao Vohimbendrana Ambodiatafana misy ity tranon´ny amiraly Ratsiraka ity dia simba tanteraka. Ny tokontany no nodiodiovina fa any anaty efitrano samy hafa kosa dia mifangaro ao ny fanaka simba sy ny fimailo avy nampiasaina ary tavoahangin-toaka. Ny miaramila nambaran´ny lehiben´ny RM3 fa miambina ny tanàna tsy hita tao an-toerana, omaly.
Manoloana izany dia miahiahy ireo mpiara-dia amin´ny Amiraly sao vokatry ny tsy fanaovany sonia ny tondrozotra hivoahana amin´ny krizy no tsy mahataitra sy tsy namoahana ny vola hanamboarana ny tranony, nefa nampanantena izany ny fanjakana FAT. Ny Mandeha anefa ny resaka fa dia alohan´ny 04 novambra no ho tonga eto Madagasikara ny amiraly sy ny fianakaviany. Ny trano hametrahana azy araka ny fangatahany sy ny toky nataon´ny FAT taminy anefa ity dia tsy mbola misy fanamboarana, raha tsy hoe miandry ny governemanta vaovao indray.
Rakoutou
Sary : Tranon’ny Amiraly Didier Ratsiraka ao Vohimbendrana Ambodiatafana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.