Nivoitra io nandritra ny hetsiky ny Ankolafy Telo tao Behoririka omaly. Mandeha indray mantsy resaka fa misy fikasana haka ny tany sy tranon’ny filoha Marc Ravalomanana mianakavy etsy Faravohitra, ka hatao fananam-panjakana.
Valy bontana avy hatrany moa no nataon’ny tao an-kianja fa tsy hanaiky izany izy ireo satria filana ady izany. Raha izay tokoa mantsy no miseho dia ho sarotsarotra ihany ny hinoana fa hivaha ity krizy ity. Ny hoavy no hamantarana izany. Ankoatra izay dia nibahana tamin’ny kabary tao an-kianja ny fihazakazahana amin’ny fanendrena praiminisitra. Zavatra roa loha no tokony hovitaina mialoha ny 1 novambra 2011, araka ny fepetra napetraky ny Troika-SADC, hoy ingahy Jeanson, avy amin’ny MFM. Eo aloha ny fanendrena praiminisitra fa eo koa ny fanatanterahana ny andininy faha-20 amin’ilay sori-dalana dia ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra tsy ankanavaka, anisan’ireny ny filoha Ravalomanana. “Na hampiharina ny sori-dalana na tsia», hoy izy fa tsy hifamilafila eto.
Nohamafisn’i Guy Maxime Ralaiseheno rahateo izany fa raha toa ka tsy vonona hampihatra an-tsakany sy an-davany iny sori-dalana iny i Andry Rajoelina dia mety aminy ny miala eo amin’ny toerana satria tsy mendrika ny hitondra ny tena tetezamita. Araka ny vaovao nampitain’ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato ity dia namory ireo tomponandraikitra sasany eo anivon’ny tafika ny iray tamin’ireo kandida ho praiminisitra. Tamin’izany no nilazan’ity farany, raha ny fanazavana, fa tsy maintsy tohanana i Andry Rajoelina ary izy no hotendrena ho praiminisitra ka rehefa tonga eo amin’ny toerany izy dia tsy hisy esorina ireo tompon’andraikitry ny tafika ireo fa mijanona eo avokoa. Nampitandrina moa i Zafilahy Stanilas hoe «manendre olon-kafa ivelan’ireo kandidan’ny Ankolafy telo dia ho hita eo ! Ampy izay fandeferanay izay», hoy izy. Nambaran’ity depioten’i Vavatenina teo aloha ity ihany fa rehefa voatendry ny praiminisitra avy amin’ny Ankolafy telo dia tsy mijanona eo akory ny tolona. Hanampy izay voatendry eo ny mpanara-dia, hoy izy, ary hanampy koa amin’ny famerenana ireo sesitany politika rehetra, indrindra fa ny filoha Ravalomanana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.