Toy ny nataony nialoha ny fanadinana CEPE farany teo tao amin’ny EPP Tanjombato ihany dia nitondra ody ambavafo sy fitaovam-pianarana hiatrehan’ireo mpiadina BEPC 350 isa ao amin’ny CEG Tanjombato indray ilay kalazalahy eo amin’ny fanamoriana fiarakodia,
Tovohery Andriamihaja Rakotojohary na i Tovonen, omaly. Anton’izao, hoy izy, dia ny fahatsapana amin’ny maha zanak’i Tanjombato ny tena fa amin’ny alalan’ny fanabeazana ihany no ahafahana mametraka rafitra matotra amin’ny fampandrosoana. Tsy mila tonga eo amin’ny fitondrana vao mahatsapa an’izany. Ny fanabeazana ara-tsaina sy vatana ary fanahy, hoy izy, dia miainga amin’ireo zaza ireo. Antony ilofosana amin’ilay fampiroboroboana ny resaka fanabeazana io ary ny tohiny moa, hoy izy, dia ezahana ny hanampiana efitrano sekoly misy tranomboky manara-penitra eto. Tsy maintsy miara-miainga ny mpitondra, ny raiamandreny, ny rafitra ifotony toy ny kaominina sy ny Sisco, izany hoe ny rehetra, amin’ny famantarana sy fampahafantarana io maha zava-dehibe ny fanabeazana io raha tiana ny ipoiran’ny vahaolana eto amin’ny firenena. Nilaza moa i Tovonen fa anisan’ireo kandida ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominin’i Tanjombato ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.