Tovo Rakotojohary

«Tsy afa-mandeha ila ny fitsinjaram-pahefana»


  • Talata 04 Jona 2024

Ny fitsinjaram-pahefana marina, hoy ny ben’ny tanànan’i Tanjombato sady filohan’ny

Fikambanan’ny ben’ny tanàna eto Madagasikara, Tovo Rakotojohary, dia nametraka vina ny filoham-pirenena amin’ny fanatanterahana izany saingy moa ve manana izay finiavana izay ny rantsa-mangaika rehetra isan-tsokajiny any amin’ny ambony indrindra hatramin’ny ambany indrindra? Tsy afa-mandeha ila ny fitsinjaram-pahefana, hoy izy. Ny antenimieram-pirenena ve manaiky izany. Ny loholona ve tena miahy ilay vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana? Tsapan’ny minisitera ve fa tsy afa-manao fitondrana miotrika na «régime centraliste» be isika fa tsy maintsy matoky ireo olona ireo dia ahoana no hampitana izay fahefana izay? Fahefana mahefa ilay izy voalohany indrindra fa any amin’ny fahefana manatanteraka tokony ho tsapan’ny rehetra fa raha tsy izany tsy tanteraka. Mila matoky ilay ben’ny tanàna ianao dia manaiky izay rafitra izay ve isika. Ny mpiasam-panjakana teo efa 30 taona mahery ve efa voavolavola ny sainy hoe tsy iny intsony izao fa omena sehatra sy lanja ireo ben’ny tanàna ireo hampandroso any ifotony satria raha ilay firenena no atao hoe mandroso dia ireo kaominina miisa 1695 izany miara-mandroso fa tsy hoe ny 10 ihany no mandroso be dia ny ambiny mikororoso fahana be. Mety ilay rafitra raha teoria fa any amin’ny fampiharana no miankina amin’ny fandavan-tena ara-politikan’ny olona tsirairay. Mila mahatsapa izany izahay mpiasam-bahoaka sy mpiasam-panjakana dia mitondra ny kely ananany fa ny sasany mety matahotra hoe ho tanteraka ve izany? Tsy mety ilay atao mivangongo be aty afovoany na «centre» aty ilay fahefana mpanatanteraka. Tsy resaka fahaleovantena ilay izy fa fahafaha-miasa malalaka na «autonomie». Omeo fahafaha-miasa malalaka ilau olona dia araho maso fotsiny fa misy rafitra be dia be afa-manara-maso izany. Mila mahazaka izany ny toe-tsaintsika. Izany no atao hoe demokrasia any amin’ny fomba fitantanana. Omeo fahefana mitantana ny ben’ny tanàna mba hahafahana mandrefy azy koa fa tsy ho lazaina foana hoe ben’ny tanàna mpangata-dava na miandry famatsiam-bola foana! Misy finiavana politika takiana koa amin’ny fanovàna lalàna mba tsy hialokalofana foana hoe tsy azo atao izany fa voararan’ny lalàna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT