Tovo Rakotojohary

«Mila mifampisintona any amin’ny miabo isika!»


  • Talata 26 Novambra 2024

Tokony hiaraka foana ny fandrosoana sy fivoarana, hoy ny ben’ny tanàna teo aloha sady

mbola kandida ho ben’ny tanàna ao Tanjombato, Tovo Rakotojohary! Misy, hoy izy, ny fandrosoana endrika ety ivelany amin’ny alalan’ny fanaovana ireny fotodrafitrasa ireny. Tsy mety nefa ny fijanonana fotsiny amin’ny fotodrafitrasa raha tsy hajainao ny fotodrafitrasa, raha ohatra ka tsy azo sitrahan’ny vahoaka ilay izy ka manova toetsaina. Izay ilay fivoarana. Ny fivoarana izany zavatra tsy hita maso fa ny fandrosoana hita maso. Tsy maintsy ampiarahana hitaizana vahoaka ny fivoarana sy fandrosoana! Elaela nefa no mametraka izay fivoarana izay. Mety herintaona ny fanamboarana sekoly fa ny fanodinana ilay sekoly, ny fikojakojàna azy, mampitsangana ela ilay sekoly dia mitaky fanovàna toetsaina miainga avy any amin’ny mpanabe, ny raiamandreny, ny olona entinao. Na hanentana amin’ny fahadiovana ianao, na manana fitaovana toy ny inona dia misy toetsaina mila ialàna amin’izany havoretràna izany na dia hoe ny fikarakaràn’ny tsirairay ny manodidina azy aza. Ny olona tonga dia miteny hoe aiza ny kamiao? Aiza ny fanariam-pako? Ianao sy ny ao an-tokantranonao aloha no tokony hadio voalohany indrindra. Mila fanentanana, fampianarana, fanoroana izany. Izay ilay fanovàna toetsaina. Izay ilay fivoarana. Miainga avy amin’ny toetsain’ny tsirairay ny fivoarana, tia mandroso. Misy toerana fanariam-pako fa misy olona eo amin’ny manodidina ilay fanariam-pako izy no manary ny fakony. Ny tsy misy moa izany, izay ilay fampandrosoana, vao tsy ampy ny fitaovana entinao manao izany zavatra izany dia tsy afaka manao izany ianao. Izay no mahatonga anay eto Tanjombato mametraka voalohany indrindra hoe any amin’ny resaka fahadiovana sy fidiovana aloha no atao voalohany fa tsy hilingilingy hanao tranobe mijoalajoala na «building». Misy olona mandalo ny tetezam-by na «pont Bellay» anaty V8 fa manipy baoritrana Pizza anaty ranon’Ikopa. Eo ambany eo ianao mahita olona tsy manana toeram-pidiovana na «douche» fa eo no misasa. Tsy ilay olona misasa eo amoron-dranon’Ikopa indray ve amin’izany no madio noho ilay ao anaty V8 amin’izany? Izay ilay toetsaina mila amboarina fa tsy misy idiran’ny fahantrana izany rehetra izany. Avy ao an-tsaina no miainga ny fivoarana. Mila mifampisintona any amin’ny miabo isika! Mila mitarika ny olona hiala amin’ny ratsy fanao hatramin’izay fa tsy hitavandra foana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT