Omby iray niadian’ny ekipan’ny Jumbo Score sy ny FCE teo amin’ny sokajy “sénior” ary ondry 4 ((1) lasan’Analamahitsy sokajy U-13, (1) lasan’i Manjakaray sokajy U-15, (1) lasan’ny Fivoarana Ivandry sokajy vehivavy, ary (1) farany lasan’ny FC Papa, sokajy “vétéran”) no nozaraina tetsy amin’ny kianjan’i Manjakaray omaly alahady teo amin’ny fifaninanana kitra lalaovin’olona 7 “Mafy Be Fihavanana” nokarakarain-dry Rado Rakotonindrina sy Nicolas Ramamonjisoa mpandrindra lalao eny amin’ny boriborintany faha-5.
Ny omby iray sy ondry roa niaraka tamin’ny vary 4 gony dia natolotr’ Guy Rivo Randrianarisoa, ity farany izay kandidà solombavambahoaka Boriborintany faha-5 atolotry ny Ankolafy Ravalomanana notronin’i Fetra Ralambozafimbololona. Fotoana izao, hoy i Guy Rivo hidinana ifotony ety amin’ny vahoaka satria efa mahazo vahana ny safidin’ny vahoaka mitaky fanovana ka tsy tokony hatahotra intsony ny rehetra fa hijoro amin’ny fikarakarana ny hoavin’i Madagasikara. Nanontaniana nivantana ny tanora tety amin’ny manahirana azy, hoy izy, ary dia ny fanampiana azy ara-panatanjahantena mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy fidorohana zava-mahadomelina sy filan-dratsy samihafa ka tsy nisalasala izahay nanolotra amboara sy omby ary ondry niaraka tamin’ny fanamiana fitondra milalao sy lelavola ihany koa ho an’ny resy sy ny mpitsara izay nomena haja manokana noho ny adidy aman’andraikitra raisin’izy ireo eo amin’ny fitaizana ny tanora. Noraisin’ity kandidà ity an-tanana koa ny “tounoi vétéran” efa miditra amin’ny 1/4-dalana eny amin’ity toerana ity. Andraisoro sy Soavimasoandro no toerana manaraka halehany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.