Politique

Tototry ny vavam-bahoaka ny Fanjakana Najanona ny afomanga saika hapoaka omaly


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Voninahitra sy laza ary fandokafana no nokatsahana, fahafaham-baraka sy kiana no notovozina tamin’ny fikasan’ny

Fanjakana hanapoaka afomanga tamin’ny fanokafana ny Fihaonamben’ny tanora katolika na ny JMJ Mada tanterahana any Antsirabe. Tototry ny vavam-bahoaka ny Fanjakana ka nofafana ny serasera tao amin’ny Pejim-baovaon’ny Faritra Vakinankaratra ofisialy nilaza omaly, fa hisy ny afomanga lehibe tolotra avy amin’ny Filoham-pirenena aorian’ny lamesa fanokafana ny JMJ Mada andiany faha-10. Maro no naneho, fa tsy mendrika, ary tsy mifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy izany eo anatrehan’ny voina namoizana ain’olona maherin’ny 20 any Ikongo. Ekena ary fanao ny manokana minitra vitsy ho fahanginana amin’ny fotoana maloka ho an’ny firenena tahaka izao mialohan’ny hanombohan’ny fety amam-danonana iray, kanefa izany afomanga izany ve no maika sy laharam-pahamehana amin’izao zava-manjo ny firenena izao? Mbola ny karazana fijapiana ara-politika hatrany no miharihary, ka tsy voalanjalanja intsony ny zavatra sy endrika hoenti-maneho azy. Vao avy tratry ny resabe momba ny kitabo sy “gourde” volomboasary, dia voakiana indray tamin’ny afomanga. Asa raha mba misy mpahay haiolona sy haifiarahamonina ihany ao an-dapa ao? Matetika midona amin’ny rindrina hatrany ny fitondrana, hany ka miankina amin’ny facebook ny fitantanana ny raharaham-panjakana indraindray. Naneho moa ny mpitarika teo anivon’ny Katolika io omaly io, fa misy voina mitranga any Ikongo, noho izany, nangina kely nitondra am-bavaka ny zavatra mitranga ny mpizaika. Ny filoha aza dia efa nilaza fa fisaonana ataon’ny firenena noho ny zavatra nitranga, hoy ny fanazavana. Tsy nisy araka izany ny fanapoahana afomanga avy amin’ny filoha, izay nomanina hapoaka ny takarivan’ny omaly 31 aogositra 2022. Vola no lany sy hapoaka amin’izany ka sao mba lasa fanesoana ny vahoaka anaty fahasahiranana lalina. Mandinika vao manao zavatra sa manao zavatra vao mandinika ?
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT