Politique

Tototry ny fako Antananarivo Tsy mahay mitantana ny TGV MAPAR


  • Talata 06 Desambra 2022

Misavovona ny fako eran’Antananarivo saika manerana ireo boriborintany enina. Ny fako miha mitombo kanefa ny fitaovana sy ny hoenti-manana voalaza fa mihena. Tokony efa hiakatra 30 ny kamiao miasa, ary ezahina

hotetezina dabam-pako farahafaratsiny indray mandeha isan-kerinandro, raha taloha zara mahazo fako herinandro fa amin’izao roa andro dia feno, raha ny voalazan’ny eo anivon’ny SMA (Société Muncipale d’Assainissement). Raha vao mampiakatra isan’ny kamio dia mitombo ny solika ampiasaina kanefa voalaza fa tafiakatra 300 tapitrisa Ar isam-bolana ny resaka solika fotsiny. Ny vola ampiasain’ny SMA dia hetra avy fako isan-tokantrano, kanefa 2020 no nisy hetra farany. Ny 2021 vao hotakiana, kanefa isika izao 2022. Tamin’ny vidin-tsolika taloha aza efa tsy ampy kanefa nisy ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay voalaza fa vao mainka manampy trotraka ny olan’ity orinasa mpandroaka ny fako eny amin’ny daban-jaoridira ity. Efa tapitra tamin’ny volana martsa ny ambikambin-ketra, tohana ara-bola na “subvention” avy any amin’ny kaominina sisa hanodinana ny SMA, kanefa ny Kaominina ihany koa ritra, ka dia izay ambikambiny eo no voalaza fa atao izay hitantanana azy. Tsy te hahalala izay olana any ny vahoaka etsy ankilany, ny fantany dia tsy voaroaka ny fako, maimbo ny tanàna,… izay endrika maneho fa tsy mahavita ny andraikiny ny kaominina. Tsara rahateo no mampahatsiahy, fa natao fitaovana politika ny fakon’Antananarivo talohan’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny 2019.
TSY MAHAY MITANTANA NY TGV MAPAR
Tsy nomena vola ny ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana, natao fahirano tsy nahazo “subvention” ny kaominina, teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny rano ny SAMVA tamin’izany ary niniana tsy nomena vola sy solika,… saingy niezaka nanao izay ho afany hatrany teo anatrehan’ny gafy tamin’ny endriny maro, kanefa toa naharoaka fako ihany. Nanao izay ho afany tamin’izany, nitady fiaraha-miombon’antoka samihafa,… Nandeha ny fifidianana ben’ny tanàna 27 novambra 2019, saingy ny takarivan’ny 26 novambra 2019 dia karazan’ny nanao toromarika ankolaka na “consigne de vote” nampifidy an’Atoa Naina Andriantsitohaina. Notanisainy fa maimbo eo Analakely, maimbo ny tanàna, mila miova, homena 10 miliara Ar isan-taona ny kaominina,… Tonga teo Atoa Naina Andriantsitohaina izay olon’ny IRK, nandeha izao fomba rehetra nitakiana vola izao, nisy hatramin’ny findramana volabe 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS, io adihevitra be io ny resaka hetran-trano,… Mbola milaza ihany ny ben’ny tanàna fa tsy misy vola. Tsy arakaraka ny hoe: fianankaviana politika iray ny ben’ny tanàna sy ny Filoham-pirenena, fa toa vao mainka zava-doza, nihemotra hatrany ny tanàna, vao mainka miha maimbo, maloto, potika, mikorontana,… Aiza ireo vava be nanenjehana ny hafa tamin’ny propagandy sy ireo velirano nirarakompana e? Resaka ara-bola no tanisaina ho olana, saingy raha tena mahay mitantana tanàna sy firenena tokony ho hita sy mandeha ho azy izany. Raha ny fahafantarana azy, olona tompon’ny vola ary tena mahay mitady vola ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Ilay mitantana kaominina ve no tsy kapoakany sa tsy dia resaka fampandrosoana an’Antananarivo loatra no tanjony? Miharihary hatrany fa mahay manonofy sy mampanonofy, saingy tsy manana vahaolana ny TGV MAPAR miainga any an-tampony ka hatrany amin’ny rafitra ambany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT