Politique

Toto Alphonse - Leader Fanilo “Aleo atao ny fikaonandoham-pirenena raha hahatsara zavatra”


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Antoko politika mivoy falalahana na “parti libéral” ny antoko politika Leader Fanilo, hoy ny filoha mpiara-mitantana ao anatin’izany antoko izany, Toto Alphonse.

Isan’ny nanorina azy io niaraka tamin’Itompokolahy Herizo Razafimahaleo raha mbola tanaty fahatanorana hiditra amin’ny fanaovana politika ny tena, hoy izy. Ny fanaovana politika dia inoako fa samy manana ny vinany ny tsirairay, indrindra, hampandroso ity Madagasikara iarahantsika mahita fa tena latsaka an-katerena anaty fahantrana ity. Nametraka izahay ny hoe “libéralisme économique et action démocratique pour la reconstruction nationale» na fahafahana ara-toekarena sy hetsika demokratika ho fanarenana ny firenena. Efa tokony miomankomana daholo, raha ny tokony ho izy ny etamazaoro politika. Mbola eo am-pieritreretana olona izahay hatreto fa mbola tsy dia miresaka hoe hanana kandida na tsia. Ny tenako moa mipetraka eto Antananarivo dia mifankahita ary mifanerasera amin’ny mpanao politika rehetra. Mijoro ho hery afovoany izahay satria manahy sao hisy indray ny herisetra izay tsy hitondra fahasoavana eto amin’ity firenena ity. Raha hahatsara zavatra ny fikaonandoham-pirenena dia aleo atao. Tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha mbola sanatria hisy gidragidra, hoy hatrany ny Leader Fanilo.
J. Mirija
Legende: Toto Alphonse
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT