Tosika kandidam-panjakanan-dRajoelina

Manenjika mpanohitra, manjono vahoaka, mamotsy ny mainty !


  • Talata 10 Desambra 2024

Nilaza fa hanampy sy hifanakaiky amin’ireo ben’ny tanàna rehetra izay ho voafidy I Andry Rajoelina,

saingy niharihary hatrany kosa ny pimaso politika ka nilazana fa 11 desambra no nitokanana ny Lapan’ny tanàna ho an’Antananarivo, ka tsy misy kisendrasendra. Tokony hifidy olona manana vina, hanasoa vahoaka, fa tsy hanakorontana amin’ny politika na hijery ny tombotsoa, hoy i Andry Rajoelina. Nolazaina fa misakana fampandrosoana ny ben’ny tanàna tsy mitovy firehana amin’ny fitondrana, ka raha manana vina ka sakanan’ny ben’ny tanàna dia voasakana, hoy izy. Fomba firesaka miverimberina ataon’ny olon’ny fitondrana io, ilazana fa ny avy amin’ny fanoherana dia hanakorontana. Nanao ahoana anefa ny vokatra tamin’ny ben’ny tanàna farany Naina Andriantsitohaina ? Moa tsy nihazakazaka ho tanàn-dehibe voalohany maloto sy voretra indrindra aty Afrika ary fahatelo maneran-tany Antananarivo ? Nolazainy fa olona manohitra ny fitondrana no ben’ny tanàna fony izy lany filoha tamin’ny 2019, ka nolazainy fa nosakanana fotsiny hoe : tsy azonareo kitihina ny kianja Barea, ka niandry ny ben’ny tanàna miara-dia amin’ny fitondrana. Izao dia manao tetikasa hametraka ozinina fanodinana fako sy hamokarana angovo, hoy i Andry Rajoelina nandoka ankolaka an’i Harilala Ramanantsoa. Inona no tsy nolazaina teto tamin’ny nampandany ny kandida TGV dimy taona lasa izay fa arakaraka izany ve ny vokatra ? Manoloana ny tosika propagandy miharihary, nilaza i Andry Rajoelina fa ny fanomezana sy ny tolotra izay atao sy ny asa sosialy dia fanao foana rehefa ankatoky ny fety, tsy maintsy mitsinjo ny vahoaka,... Nambara fa ny Tsimbina dia mahatratra 200 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, fa ny Mifampitsimbina amin’ny anaran’ny Minisitera. Eto Antananarivo, misy atao lelavola, tapaky ny desambra, alohan’ny Noely, 150 000Ar homena hiatrehana ny fety, 100 000Ar any amin’ny volana janoary. 400 000 ny tokantrano, ka ny 200 000 no mahazo eto Antananarivo, hoy ny pimason-dRajoelina. Fa volam-panjakana sa volan’ny TGV fa io no natao fitaovana tamin’izao propagandy nanjonoana vahoaka izao na inona na inona lazain’ny Filoha? Niezaka nandiso ny tatitra momba ny fahantrana izay efa 80,3% i Andry Rajoelina, ka nolazaina fa ny « taux de croissance » no tena mari-drefy. 3,1% ny aty Afrika, fa isika nahazo 4,2% tamin’ny 2022, ary 4% ny 2023. Hahatratra 8% hono io raha mipetraka ny ezaka toy ny « transformation agricole », hanampy ny tantsaha, hahatratra 1000 000Taonina fanampiny afaka 2 taona,… Nolazaina fa hafantoka amin’izany ny vola. Tena mipetrapetraka sa manidintsidina ? Dia tena mbola sahy miteny sy milaza ve i Andry Rajoelina fa mahomby ny fitantanany kanefa ny Banky Iraisam-pirenena izao no efa nilaza fa ny 75,2% amin’ny Malagasy io miaina ambanin’ny 4000Ar isan’andro, izany hoe : ambany lavitra an’ilay 2,15 dolara na 10000Ar isan’andro eo ? Miezaka mamotsy ny efa hita fa mainty !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT